- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversVohipeno : Adim-pianakaviana niafara tamin’ny faka an-keriny

Vohipeno : Adim-pianakaviana niafara tamin’ny faka an-keriny

Zazavavy kely iray 4 taona no voalaza fa nisy naka an-keriny tao Vohipeno, ny alarobia teo. Lehilahy iray no voatonona ho tompon’antoka tamin’izany. Tamin’io fotoana io ihany moa, taorian’ny fampandrenesena nataon’ny renin’izany zaza very izany dia nisy fandraisana andraikitra nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy avy hatrany ny fisamborana ilay lehilahy voatondro ho tompon’antoka tamin’izany ary nentina natal fanadihadiana. Tamin’ny famotorana savaranonando anafe, araka ny loharanom-baovao azo dia fantatra fa rainy niteraka ilay zaza ihany ity lehilahy ity. Savorovoro aram-pianakaviana no tena antony hoy ny loharanom-baovao, satria raha ny marina dia nipetraka tao amin’ity rainy ity ilay zaza. Efa nisaraka rahateo ireo ray aman-dreniny ka nony tsy tao an-trano ilay rangahy dia notongavan’ilay reniny sy ny olona niaraka taminy tao an-trano ilay zaza ary nentiny. Nifanena tamin’ilay rainy teny an-dalana anefa ka nosintomin-drangahy ilay zaza. Izay toe-javatra izay no nolazain’ity ramatoa fa hoe hala-jaza ary nentiny nanaovana fitairanana. Raha ny tena marina hoy ny vaovao dia tsy nisy ny trangana fakana an-keriny. Tsy tian’ilay rainy hotezain-drafy ny zanany ka tsy nekeny ny nitondrana azy. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici