Manahy mafy ny ho avin’ny Vohitra Ambohimailala, izay isan’ireo vohitra manan-kasina raha ny tantaran’Imerina no lazaina, ireo taranak’Andrianampoinandriana amin’izao fotoana izao. Saro-piaro amin’ity toerana navelan’ny razany ity tokoa ireto taranaka ireto izay rantsana avy amin’Andriandranando ka mivondrona ao amin’ny Fikambanana TAVA (Taranaky ny Vohitra Ambohimailala). Fantatra ankehitriny, araka ny fitarainana avy amin’ny fikambanan’izy ireo fa betsaka ny zava-mitranga ka manaporofo fa tandindonin-doza ary saika voaota fady mihitsy ity vohitra masina ity. Misy olona mitady hamaritra haka ho fananan’olon-tokana, amin’ny alalan’ny fangatahana “Préscription acquisitive” ity vohitra ity raha ny fanazavan’Atoa Tintin Ravonison, mpitondra tenin’ny Fikambanana. Zavatra izay tsy azo leferina satria fasandrazana maro no miorina eo, hoy izy. Tsy vitan’izay fa nampahatsiahivin’ny fikambanana ihany koa ny zava-nitranga teny tamin’ny taona 2017, izay nandevenana antsokosoko olona matin’ny pesta teo an-tokotanim-pasam-pianakaviana iray teny. Faty avy any Manjakandriana izy io ary tsy misy ifandraisana na kely akory aza amin’ny taraka’Andrianampoinadriana, nefa dia natsofoka teny an-keriny. Vao tsy ela akory izay, nisy ihany koa ny vaky fasana teny an-toerana. Tsy lazaina intsony ny doro-tanety izay mateti-pitranga eny an-toerana. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny TAVA fa hamerina ny hasin’io toerana io amin’ny alalan’ny famefena tamboho izany toerana izany. Efa natomboka ny asa ankehitriny ary efa mijoro ny vavahady izay natao ho mendrika izany hasina izany tokoa. Niaiky anefa ireo mpikambana fa asa goavana no hatao ka miantso ny rehetra ny Filoha mpitantana ny Tava mba hifarimbona amin’ny alalan’ny fitia tsy mba hetra ka handrotsaka izany ao amin’ny kaonty Mvola 0344106020 (Mme Bao) na 0340136993 (Abel Jhons).
T.M.