- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohitsara Toamasina : Mpandraharaha iray lasibatry ny jiolahy dimy

Vohitsara Toamasina : Mpandraharaha iray lasibatry ny jiolahy dimy

Tena efa mahay ireo andian-jiolahy mpanao asa ratsy ankehitriny eto Toamasina, fa efa hain’izy ireo mihitsy ny fanaon’ireo mpitandro filaminana manao ny asany amin’ny fisavana olona araka ny lalana. Mpandraharaha ireo teto Toamasina mipetraka ao amin’ny fokontany Vohitsara no lasibatra tao anatin’izany. Nisandoka ho mpitandro filaminana mpanao fisavana ireto andian-jiolahy dimy ka nitsambikina ny tamboho mihitsy izy ireo nidirana ilay trano. Avy hatrany dia nidaroka ireo hitany tao an-trano izy ireo, ka torana hatramin’ilay mpanampy tratran’izy ireo tao noho ny daroka nahazo azy. Tsy nisy taratasy filazana fa mpitandro filaminana mpanao fisavana araka ny lalana izy ireo, nefa dia nisavasava ny rehetra tao an-trano. Ty afaka niantso ny olona ivelan’ny trano ireo tao an-trano ka tsy nisy afaka nanavotra azy ireo. Nisy nahatsikaritra anefa ireto jiolahy, ka nandray fepetra izy ireo niantso ny mpitandro filaminana sy hijery ny zava-nisy tamin’ireto olona ireto. Raha nahita ireto mpitandro filaminana ireto jiolahy nisandoka mpanao fisavana araka ny lalana ireto dia nitsoaka avy hatrany ka nifanenjehana tamin’ny fiara. Nony farany, tratra teo amin’ny takelaka misy soratra relax Ankirihiry ireto jiolahy, ka ny telo tamin’izy ireo ireto tratra ireto izay nitondra ny fiara roa, Dodge Ram sy Toyota Sequoia, fa tafatsoaka kosa ny fahatelo tamin’ilay fiara nahitana jolahy roa. Nambaran’ireo mpitandro ny filaminana fa tena volosan’ireo andian-jiolahy mihitsy ireo mpandraharaha eto Toamasina, ka mahita zavatra atao isaky manao ny asa ratsiny izy ireo. Tadidio, hoy ireo mpitandro ny filaminana, fa andro iray ny an’ireto mpitandro filaminana raha ny 99 andro ny an’ireo fikambanan-jiolahy amin’ny fanaovan-dratsy. Efa niakatra fitsarana moa izy telo lahy tratra ireto, ka avy hatrany tsy nisalasala ny fisarana nampididra azy telolahy tratra ireto am-ponja vonjimaika alohan’ny fitsarana ny raharaha. Fahavalom-pirenena no anasokajiana ny raharaha, satria sady misandoka andraikitra no mbola manao asan-jiolahy koa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici