Ny fandrosoan’ny teknolojia ve no nanafaingana ny fiparitahan’ny vola sandoka eto Andrenivohitra ? Fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ny vola vaovao farany teo, dia efa misy mahavita sahady ireo ravim-bola. Ny zavatra tsara anefa ao anatiny dia mba saron’ny mpitandro ny filaminana aloha ny sasany amin’ireo ao anatin’ny tambajotra mpanamboatra sy mpanaparitaka izany. Omaly ny teo anivon’ny pôlisy ekonomika, sampana izay miady amin’ny heloka ekonomika, ara-bola ary koa ny fiarovana ny fampiasam-bola, dia nanome vokatra ny mpanao gazety. Saron’izy ireo ny telo lahy izay nahatratrana vola sandoka iray alina ariary miisa 35. « Olona tsara sitra-po no nanome ny vaovao ary nilaza fa misy tranga hafahafa eo amin’ny fiarahamonina iray » raha araka ny fanazavana azo. Teo am-panakalozana ireo vola sandoka no sarona avy hatrany izy telo lahy mazava hoazy, dia nosamborina. Natolotra ny fampanoavana omaly ary samy notanana am-ponja vonjimaika. Raha tsiahivina dia vao tamin’ny volana lasa teo no nisy voasambotra koa tetsy amin’ny « anjely mainty » etsy Anosy. Olona dimy ary misy vehivavy tao anatin’ny tambajotra, mitovy tanteraka ny fomba fanaparitahana ireo vola. Amidy mora ireo vola sandoka : telo arivo ariary ny vola sandoka iray alina ariary. Betsaka ny roboka satria vetivety foana dia mitombo avo telo heny mahery kely ny tetin’ilay vola. Tetsy Mahazo koa, dia nisy lehilahy iray voasambotra noho ny vola sandoka. Io indray dia ny zandary no nanao ny fanadihadiana. Ny azy indray dia vola vahiny amerikana (dôlara) no nataony sandoka. Ao anatin’izay, dia mbola misy fanova-maso kely koa, rehefa atakalo ireo vola sandoka. Misy ravin-taratasy izay atao mitovy tsara amin’ireo vola vahiny mantsy ary atsofotsofoka kely any aorian’ireo devizy. Ankoatry ny vola sandoka izany, dia mbola vola taratasy koa no azon’ireo olona mandray ny fanakalozana. Efa nidoboka am-ponja ihany koa io lehilahy mpisoloky sy mpanao vola sandoka io. Miparitaka ny vola sandoka ary marobe ny mpanao izany.
D.R