- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversVola vaovao : Vitsy ny mpivarotra mandray azy noho ny tahotra

Vola vaovao : Vitsy ny mpivarotra mandray azy noho ny tahotra

Manomboka sahirana ankehitriny ny mpividy entana eny amin’ny toeram-pivarotana, na mpambongady izany na enta-madinika. Ny antony dia lasa matahotra ilay vola vaovao ireo mpivarotra ary tsy vitsy ny mandà handray an’izany. Nahoraka mantsy ny fisian’ny ravim-bola vaovao, indrindra ny iray alina ariary, izay niparitaka tany amin’ny faritra atsinanana sy avaratra atsinanana. Vetivety dia tonga taty an-drenivohitra ny zava-nitranga tany amin’ny faritra ary naha-tonga ny mpivarotra ho mailo tanteraka. Tsy vitan’izay tsy mety mandray fa mbola sahirana ihany koa raha manakalo vola. Ambetin-teny naverimberina anefa tamin’ny fivoahan’ny vola vaovao ny hoe tsy ho vita mihitsy ny manao dika mitovy, izany hoe ny manao sandoka ireo ravim-bola vao natonta. Ankehitriny, ary vao iray volana latsaka taorian’ny nivoahan’ireo vola, dia efa sahirana sahady ny olona na dia ireo tena izy aza no ampiasaina. Misy ihany ny mpivarotra izay mahafantatra manavaka ny vary sy ny tsiparifary ary mahavita mitaratra izany amin’ny masoandro ary mijery tanteraka ny vola alohan’ny hanekeny azy. Miteraka fahaverezam-potoana izany ho an’ny mpanjifa ary tsy vitan’izay fa miteraka henatra sy tebiteby ihany koa. Azon’ny mpivarotra atao tsara mihitsy mantsy ny mampandre ny mpitandro ny filaminana raha toa ka hitany fa sandoka ny vola nomena azy. Dia raha tonga tsy nahy tany amin’olona izany ilay vola sandoka dia mazava fa izy no ho lasa tompon’andraikitra amin’izany. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe tsy ampy ve ny fanentanana sa ny teknolojia no mihazakazaka loatra ka vao iray volana mahery dia efa misy mahavita sandoka sahady ireo vola. Ny any amin’ny tontolo ambanivohitra moa dia misy manao ady an-kafetsena mihitsy ireo olon-dratsy ary mamitaka ny olona fa hatakalo vola vaovao ny vola teo aloha ary ampiana tombony. Toa izay nitranga tany Maroantsetra, roa herinandro lasa izay. Vetivety loatra ny fiparitahan’ny vola sandoka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici