- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversVolamena 17 kilao sarona tetsy Ivato :  “Efa fanintelony tamin’ny fanondranana izao”

Volamena 17 kilao sarona tetsy Ivato :  “Efa fanintelony tamin’ny fanondranana izao”

Voasambotra tetsy Itaosy, ny andron’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ny iray tamin’ireo tompon’antoka tamin’ilay fanondranana an-tsokosoko ireo volamena milanja 17 kilao, saron’ny zandary tetsy Ivato. Araka izany ilay terantany karàna, voalaza tao anatin’ny fikarohana sisa no mbola tsy hita. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia tsy taiza fa tao an-tranony, tetsy Itaosy, lot IT 99 bis ihany no tra-tehaky ny zandary ity mpanondrana harem-pirenena ity, rehefa mbola sahy nihaodihaody teny ihany taorian’ny filazana fikarohana nataon’ireo mpitandro filaminana. Tamin’io andro io dia nisy nahita tao ity farany ary izany olona izany no nampandre haingana ireo zandary. Ny andron’io ihany moa ity lehilahy ity dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary tetsy Fiadanana, ho amin’ny famotorana azy. Fanintelony. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia voalaza fa niaiky tanteraka ny zavatra nataony ny lehilahy : ny fikasana hanondranana an-tsokosoko ireo volamena 17 kilao. Ny loza anefa dia mbola nilaza ihany koa tenany fa tsy vao izao akory izy no nanao an’io fa efa fanintelony izao. Tsy tadidiny ny voalohany, ny faharoa kosa dia vao ny 17 aogositra lasa teo ary ny farany dia ity tamin’ny alarobia ity saingy izao tra-tehaka izao. Tao anatin’ireo, araka ny vaovao sy ny filazany dia saika fonosan’entana miisa efatra, ahitàna bolongam-bolamena milanja manodidina ny 17 kilao eo avokoa. Izany hoe volamena milanja manodidina ny 34 kilao tany ho any no efa tafavoakan’ireto olon-dratsy ireto tany ivelany, izay hiarahan’ny rehetra mahalala sy nampahafantarina fa tsy maintsy any Dubai no hiafaràny. 10 tapitrisa ariary. Ny volana Jolay lasa teo no nantsoin’ilay terantany karàna, fantatra amin’ny anarana hoe Mohammad Naime Ibrahim, izay karohina fatratra amin’izao fotoana izao ity voasambotra tetsy Itaosy ity, hiara-hiasa aminy. Hanondrana volamena amam-polony kilao (manodidina ny 51 kilao any ho any, raha ny totalin’ireo entana telo). Ary isaky ny entana dia mahazo vola 10 tapitrisa ariary ity farany. Tao amina sekoly iray etsy Ampefiloha moa no voalaza fa hanaovan’izy ireo fifanakalozana : ny fanomezana ny “entana” haondrana sy ny vola. Mazava ho azy, raha ny lojika dia tsy vitan’ity lehilahy ity irery izany “asa goavam-be” izany fa tsy maintsy misy ireo mpanampy azy. Teo no nidiran’ilay mpamilin’ny Sofitrans sy olona iray hafa. Ireto farany izay samy nahazo efatra tapitrisa ariary sy roa tapitrisa ariary avy isaky ny nahavita ny “asany”. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity eny anivon’ny mpanao famotorana. Ary marihana fa mbola eo am-pikarohana fatratra ilay terantany karàna, izay azo lazaina fa tena atidoha nikotrika izao fanondranana harem-pirenena izao izy ireo. Ireo izay mahita na manam-baovao hahafahana mahita azy araka izany dia hiangaviana hampandre ny mpitandro filaminana akaiky indrindra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici