- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversVolamena tratra tany Nosy-be : Karàna iray naiditra am-ponja avy hatrany

Volamena tratra tany Nosy-be : Karàna iray naiditra am-ponja avy hatrany

Naiditra am-ponja avy hatrany ilay Karàna indopakistane, tratra tamin’ny fitondrana an-tsokosoko volamena tany Nosy-be, ny faran’ny herinandro teo. Nanaovana fanadihadiaha izy io, tsy ara-dalàna ireo volamena milanja 190 grama mahery. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao. Raha tsiahivina, tao amin’ny seranam-piaramanidina mihitsy izy io no tratra. Natao tao anaty vatoaratra « powerbank » ny vovo-bolamena. Nandritra ny fisavàna ny entan’ny mpandeha, no tra-tehaka izy io. Nanamafy ny talen’ny ladoany malagasy fa raràna tanteraka ny mitondra volamena mivoaka ny sisintanin’i Madagasikara nanomboka tamin’ny oktobra 2020. Izay tsy misy taratasy ara-dalàna dia iaharan’ny fanenjehana sy ny sazy avy hatrany. Mihevitra mihitsy ny eo anivon’ny ladoany fa mety nitsapa ireo mpanondrana volamena raha toa ka mivahavaha ny fitsirihana atao manoloana azy ireo, tamin’ity tranga farany ity. Raha ny tokony ho izy mantsy, tsy tokony hisy sahy hanao ity asa ratsy ity taorian’ny raharaha volamena 73 kilao. Manamafy ny asa fitsirihana ireny hatrany ny eo anivon’ny ladoany.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici