Tsy hijanona ho fambolena zana kazo no tanjona fa hamadika azy ho lasa ala amin’ny alalan’ny fanentanana hatao eny ifotony sy fikojakojana ny zana kazo, io no hafatry ny fitalevam-paritry ny tontolo iaiana sy fandrosoana lovain-jafy eto Vakinankaratra nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo teto amin’ny faritra ny faran’ny herinandro lasa teo.
Samy nandray anjara tamin’ity hetsika ity avokoa moa ireo distrika mandrafitra ny faritra vakinankaratra afa tsy ny Distrika Antsirabe valohany ihany. Veleran-tany 2 700 Ha no ezahina volena zana-kazo. Tsipihina hoy hatrany ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana loavain-jafy Ratefason Tojotsara fa tsy ao amin’ny DREDD ihany no misy zana-kazo fa misy ihany koa any amin’ny mpivarotra zana-kazo sy orinasa sasantsany eto Antsirabe.
Ho an’Antsirabe II manokana dia tao amin’ny fokontany Antsampandrano kaominina Ambohibary no natao ny hetsika ka zanakazo 8000 fototra no novelana raha toa ka zana-kazo 52 400 no tanjoa izay handrakofana tany mirefy 50Ha.
Loahevitra nasionaly tamin’ity fambolen-kazo ity ny hoe “manarina tontolo iainana, mamelona aina”.
Andry N.