Tsy manasazy ihany fa mananatra sy manentana ireo mpampiasa lalana ihany koa ireo zandary. Izay no hita tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, manomboka eo Manjakandriana ka hatraty an-drenivohitra.
Toromarika manokana avy amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay manao hetsika manokana, entina hisorohana ireo lozam-pifamoivoizana amin’izao. Tsapa sy hita tato ho ato fa nihanitombo betsaka indray ireo loza na amin’ireo lalana eto an-drenivohitra na eny amin’ireo lalam-pirenena. Maro tamin’izy ireny no namoizan’olona tsy manan-tsiny toy ny nitranga andro vitsy lasa izay teny Manjakandriana.
Raha ny marina tokoa dia tokony hisy hetsika toa izany avokoa ataon’ireo mpitandro filaminana isanisany, indrindra fa amin’ireo lalana rehetra, izay efa fantatra fa nisy loza matetika. Raha tsy hiteny afa-tsy ny eto an-drenivohitra, ny amin’iny lalan’i Tsarasaotra Ivato iny, ny lalan’i Bypass ary ireo lalam-pirenena mivoaka eto an-drenivohitra rehetra, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro.
Hanarina manokana ihany koa ireo mpitondra môtô mpisetrasetra eny an-dalana fa sady manome loza ho an’ny tenany no manome loza sy « mampiditr’andro » ho an’ny hafa. Misy amin’izy ireny mantsy no tsy mataho-maty intsony. Tsy iray tsy roa fa dia misy maromaro mifanenjika, toy ireny eny ambony « piste » ireny kanefa dia anaty lalana hifamoivoizan’ny daholobe. Tranga mateti-piseho amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, rehefa alahady hariva, indrindra fa rehefa handeha hamonjy revy na avy mirevirevy avy any faritra Talata Volonondry any izy ireo.
m.L




