Nisy fanafihan-dahalo voalaza fa faran’izay nahery vaika tany amin’ny disitirikan’i Vondrozo ny talata lasa teo. Nifampitana ny miaramila sy ny mpandroba, vokany, dahalo miisa efatra no maty ka mpampianatra ao amina EPP ny iray. samy variana ny rehetra tamin’izany satria samy mahafantatra an’io lehilahy mpanabe ao amin’ny EPP Amblavolo fokontany Vohimary Nord kaominina Manambidala io avokoa ny rehetra. Tamin’ity fanafihana ity, nilaza ny loharanom-baovao fa nahatratra hatrany amin’ny 200 ireo dahalo nanafika io fotoana voatondro io. Tsy vao sambany no nisy izany tany amin’iny faritra iny, hoy hatrany ny vaovao. Efa herinandro maromaro izay, tsy milamina intsony ny any an-toerana raha ny resaka halatr’omby no resahina. Tsy vitan’izany fa ankoatra ny halatra, nisy ihany koa ny vono olona sy ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Soa aloha fa efa misy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny faritra mafana rehetra isan-karazany eto amin’ny nosy. Misy ny dahalo maty, nisy ihany koa ny mpitandro filaminana namoy ny ainy,vao tsy ela akory izay tany amin’ny faritra Bongolava.
r.s