- Publicité -
AccueilFaits-DiversVondrozo : Nisy nanala ny voamaso roa an’ilay zaza

Vondrozo : Nisy nanala ny voamaso roa an’ilay zaza

Nanjavona ilay zaza, izany hoe nisy nangalatra. Roa andro taty aoriana, hita izy saingy efa tsy nisy voamaso roa intsony. Izany habibiana izany no nanjo ny zazalahikely iray vao dimy taona, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodirano, eo anivon’ny distrika Vondrozo. Nanao fanambaràna omaly ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ity tranga ity : « toherina amin’ny endriny rehetra ny tranga mamohehitra toa izao ». Nanazava koa ity minisitera ity fa nisy ny fidinan’ny ekipany tany an-toerana ary notaterina tamin’ny “ambulance” ilay zaza niakatra tao amin’ny toeram-pitsaboana ao Farafangana. Notolorana fitsaboana maimaimpoana izy nanomboka teo amin’ny fahafantaran’ny minisitera ny zava-nitranga, ny talata lasa teo. « Araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitsabo dia tsy misy ahiana ny ain’ilay zaza fa kosa tsy hahita mandrakizay intsony izy », raha araka ny fanambaràna hatrany. Tsy zaza varira ilay zaza. Eo no tena mampametram-panontaniana ny olona ao an-toerana. Efa mihitatra amin’ny zaza tsotra koa izany ve ity fangalàrana voamaso ity? Miaina anaty fitaintainana hatrany ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina any atsimo manoloana ny fisesin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza toa izao. Raha asan-dahalo no ady iombonana teo aloha, na mbola iainana isan’andro aza izany, izao koa dia mihitatra amin’ny halatra voamason-jaza ny adin-tsaina. Hatreto aloha dia ahiana mafy ho singa ampiasian’ireo mpilalao ody ratsy mba hanaovana sorona no tena ilàna ireo voamaso, indrindra ny an’ny zaza varira. Tsy dia azo inoana ny halatra taova satria ny maso dia tsy taova ary ankoatr’izay, mila fitaovana raitra na ny fitaterana na ny fihazomana an’izany ao anatin’ny fotoana fohy. Mila manao angom-baovao akaiky ny mpanao ody gasy any an-toerana izany ny mpanao fanadihadiana satria tsy maintsy mandalo any amin’ireo ny hiafaran’ireo voamaso halatra. Izany dia mba entina hamongorana ity asaratsy manimba ny zaza any atsimo ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici