Navoaka omaly teto amin’ny gazety ny fisian’ny mpampianatra iray amin’ny EPP izay lavon’ny mpitandro ny filaminana, niaraka tamin’ny telo lahy hafa. Izy ireo dia voalaza fa dahalo mpangalatra omby. Omaly dia nivoatra ny vaovao ary fantatra fa voasambotra ihany koa ny ben’ny tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina ambanivohitra Agnadravy, distrika Vondrozo. Tafatsoaka izy io afak’omaly saingy rehefa nifampitadiavana dia saron’ny zandary ihany. Ny antony nisamborana azy, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia noho ny fahafantarana fa azy ny basim-borona nampiasain’ireo dahalo nandritra ny fanafihana. Ny talata alina teo no niseho ny fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Andoharano. Lasa ny omby manodidina ny 200 isa ary mbola nisy vono olona sy herisetra nandritra izany. Natao ny fanarahan-dia ary teo amin’ny kizo antsoina hoe Madiorano. Ny zandary sy ny miaramila mpampandry tany no nifanehatra tamin’ny dahalo ary tena nifanjevo tanteraka. Nisy dahalo telo lavo teo. Ny ampitson’iny dia mbola nitohy indray ny ady, vao maraina tokony ho tamin’ny valo ora. Efatra indray teo no lavon’ireo mpampandry tany ary sarona tao anatin’izany ny bala fampiasa amin’ny basy kalachnikov mbola tao anaty “chargeur”. Nahatalanjona ity zava-nitranga ity. Ireo noheverina ho ray aman-dreny sy mpanabe ao an-tanàna no nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihan-dahalo ary mambotry sy mamono ny mpiara-monina aminy…
D.R