- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVono olona : Mpampianatra maty nokapakapaina tamin’ny famaky

Vono olona : Mpampianatra maty nokapakapaina tamin’ny famaky

Diam-pamaky telo teny amin’ny handriny, ary nokapaina sy notapahina tamin’ny zava-maranitra ny tendany. Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka mihitsy no namonoan’ireo tsy mataho-tody ity mpampianatra efa misotro ronono iray tany amin’ny distrikan’i Mahabo iny, ny alatsinainy lasa teo. Voatafika ary novonoina tao an-tokantranony ity raim-pianakaviana, izay marihina fa ambonin’ny maha mpampianatra efa nisotro ronono azy dia mbola izy ihany koa no filohan’ny fanamboarana ny lakandranon’i Dabaraha ao Mahabo. Tsy nisy nahare ary tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy akory anefa, eny fa na dia ireo ankohonany, ny vadiny sy ny zanany telo amin’ny efitra ilany aza. Izy efa nihoson-drà sy tsy nisy aina intsony nivalampatra teo ambony canape no nanaitra ireto farany, ary niantsoana haingana ireo mpitandro filaminana. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia mbola nijery fahitalavitra irery tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any. Ireo fianakaviany kosa tatsy amin’ny efitra ambadika mbola nifampiresaka fa tsy nisy natory akory. Azo heverina araka izany fa tafiditra tao an-trano ireo nahavanon-doza ary nandalo tsy re tsaika, na izy ireo hanao ny asa ratsiny na tamin’izy ireo rehefa avy nahavita izany. Nambaran’ny vaovao hatrany moa fa nandritra ny fotoana mety ho nanavaon’ireo olon-dratsy ity vono olona mahatsiravina ity, dia nanao fisafoana tsy lavitra teo mihitsy ny miaramila. Tsy nahatsikaritra na inona na inona na olona hafahafa niditra tao amin’ity olobe ity izy ireo. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ny pôlisy tao Mahabo. Hatreto mantsy dia tsy fantatra mazava izay tena anton’izao famonoana ankitsirano, tamin’ny fomba mahatsiravina izao. Nohamafisina taorian’io zava-nitranga io moa ireo fisafoana sy fametrahana sakana amin’ireo lalana rehetra miditra ao Mahabo. Ny fikarohana ireo olon-dratsy kosa dia iarahan’ireo mpitandro filaminana telolafy misalahy.

m.L

 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici