- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona niniana natao : Zandary iray nadoboka am-ponja vonjimaika

Vono olona niniana natao : Zandary iray nadoboka am-ponja vonjimaika

Tsy fanaovana aro loha, fitondràna kodiaran-droa anaty fahamamoana, fitsoahana ary vono olona niniana natao. Vesatra izay nanenjehana ity zandary iray miasa ao amin’ny tobim-paritry Anahidrano, distrika Antsohihy, izay nampidirina am-ponja vonjimaika.

Raha ny vaovao azo, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tany amin’iny faritra iny ny 22 aprily lasa teo. Kodiaran-droa no lasibatra tamin’io fotoana io, ary mpitandro filaminana roa lahy no nitondra izany. Ny fanazavàna avy amin’ny lehiben’izy ireo dia samy mamo izy roa lahy ireto tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy vitan’izay anefa fa mbola samy tsy nisy nanao aroloha, na tokony ho fitaratra amin’izany mihitsy aza ireo mpitandro filaminana. Nony nitranga ny loza, naratra mafy vokatr’izay ny iray tamin’izy ireo. Ilay namany kosa, nentanin’izay zava-mahadomelina izay dia tsy nivonona ny nampilaza ny manodidina na ny lehiben’izy ireo na niantso vonjy fa dia nirifatra nitsoaka, namela ilay iray hamoy ny ainy teo. Nisokatra nanomboka teo ny fanadihadiana sy famotorana nahakasika ity raharaha ity. Niafara tamin’io nisamborana an’ilay zandary kilasy faharoa io moa izany. Ny alatsinainy teo no nampiakarina teny anivon’ny Fampanoavana tao Antsohihy ny raharaha. Nanapa-kevitra ny hampiditra vonjimaika azy, ireo mpitsara mpanao famotorana taorian’ny fakàna am-bavany, mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana.

Hentitra tokoa amin’ny fampanarahan-dalàna sy fanadiovana anatiny ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Fiteny mahazatran’Atoa Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ny hoe tsy mitahiry olon-dratsy izy ireo, ka na inona galona na iza na iza rehefa manao ny tsy mety, tsy maintsy faizina. Tsiahivina fa hatramin’ny fiandohan’ny taona teo, dia efa am-polony any ho any ireo zandary nampidirina am-ponja, noho ny fandikan-dalàna sy heloka bevava nataon’izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici