Telo andro taorian’ny namoahan’ny zandary taratasy fampikarohana ilay tovolahy fantatra amin’ny anarana hoe Michel dia voasambotry ny pôlisy tao an-drenivohitr’i faritra Atsinanana ny lehilahy. Ity farany moa izay ahiana ho tompon’antoka voalohany tamin’ilay vono olona mahatsiravina nitranga tetsy Antehiroka ny andron’ny sabotsy lasa teo. Taorian’ny zavatra niseho tetsy Antehiroka ny andron’ny sabotsy dia voalaza fa nitsoaka nihazo ny faritra Atsinanana ilay tovolahy noahiahiana fatratra ho nahavanon-doza. Namoaka taratasy fampikarohana azy avy hatrany ireo mpitandro filaminana tompon’ny famotorana. Tetsy andanin’izay, nisy ny angom-baovao azon’ny pôlisy avy tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany tao Toamasina fa misy olona mitovy amin’io karohina io, tsy lavitry ny Complexe jeunesse et sport Toamasina, dia nihetsika ihany koa. Tsy afa-niala fa tra-tehaka tao tokoa i Michel, omaly tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any. Nentina ary notanana avy hatrany tao amin’ny biraon’ny kaomisaria ingahy mandra-piandry ny fandefasana azy aty an-drenivohitra ho amin’ny tohin’ny famotorana. Tsiahivina fa vono olona feno habibiana miisa roa no hanenjehana an’ity tovolahy ity. Mpandraharaha vahiny iray, mananiky ny 80 taona niaraka tamin’ny vadiny malagasy eo amin’ny 60 taona teo ho eo no voalaza fa novonoiny ny andron’ny sabotsy teo teny Antehiroka. Tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa no nanantanterahan’ireo mpamono an’izany, satria dia tsindron’antsy maromaro no niantefa tany amin’izy mivady ireto ary mbola nasesika tao anaty toeram-pivoahana ihany koa ny vatana mangatsiakan’izy ireo taorian’io. Mpiasa iray tao an-trano ihany koa no naratra ary saina niantefan’ny balan’ireo mpamono. Torak’izay ihany koa ny zanak’izy mivady ireto, tsy salama, izay efa saika novonoin’ireo olon-dratsy raha tsy tafatsoaka sy tafiafina tao ambadiky ny fiara. Olona manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’ireo fianakaviana ity ahiana ho nahavanon-doza ity, izay tsy mbola fantatra hatreto ny antony nanosika azy hanao izay habibiana izao. Voalaza ihany koa aza fa tsy izy irery no nanao ny « opération » fa nisy namany hafa, izay heverina fa ho fantatra aorian’ny famotorana an’ingahy Michel.
m.L




