- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVono olona tao Analakininina Hopitaly be : Maty ilay renim-pianakaviana bevohoka ...

Vono olona tao Analakininina Hopitaly be : Maty ilay renim-pianakaviana bevohoka notsatohana “fourchette”

Raha ny talata maraina taorian’ny daroka sy tsindrona antsy sy “fourchette” ilay zaza antsoina hoe Kenzo 04 taona, dia omaly kosa no fantatra fa nodimandry teo anivon’ny hopitaly Morafeno nitsaboana azy ihany koa ny reniny bevohoka antsoina hoe Honorette, 29 taona, izay niara-voadaroka sy voatsindrona antsy sy “fourchette” taminy. Raha hiverenana ny tantara dia vono olona nataon’ity mpiasa mpamily mpanampy tao amin’izy ireo, izay voaroaka noho ny disadisa teo amin’ilay mpiasa mpamily mpanampy sy ilay raim-pianakaviana. Vokatry ny hatezerana sy ny alahelo tamin’ny fandroahana azy, ilay tovolahy raha teo mpitady ravinahitra no tonga teto Toamasina ary efa niasa hatramin’ny fotoam-pihotazana lodsia tamin’ireto tokantrano ireto, dia izao vono olona izao no nataony raha fantany fa tsy teo ilay raim-pianakaviana ny talata maraim-be tokony tamin’ny 03ora maraina io. Hatreto aloha dia mbola eo am-pikarohana ilay tovolahy, Tsilavina, namono olona ity ny mpitandro ny filaminana noho ny fitorian’ilay raim-pianakaviana. Ankoatra izany dia fantatra izao fa miavonavona be ity mpamily mpanampy voaroaka ity, ka mampitairana ny mpanjifan’ireto fianakaviana ireto noho izy ireo manatitra voankazo amina orinasa iray eto Toamasina. Efa nanarina ihany ity mpamily mpanampy ity saingy nilaza ny tsy afaka hiova izy fa efa toetrany io miavona io ka tsy maintsy nandray fepetra amin’ny fandroahana azy ny mpampiasa azy tsy hanimba ny asany. Nefa noho ny lolom-pony dia izao vono olona izao no nataony ho valifaty ho an’ilay mpampiasa azy nandroaka azy tamin’ny asany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici