Tsy niandry ela fa herinandro monja taorian’ilay vono olona mahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambohimasina Betafo dia voasambotry ny zandary ireo nahavanon-doza. Raha tsiahivina fohy ny zava nitranga, ny alin’ny 7 martsa lasa teo, notongavan’ny andian’olona tao amin’ny tokatrano iray. Nilaza ho « quartier mobile » ireto olon-dratsy ireo ary nitondra azy mivady nivoaka ny trano. Novonoin’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny tranony izy mivady, nodidina antsy ny tendany ary nokapaina famaky ny lohan’ilay rangahy. Ny marainan’ny 8 martsa tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no hitan’ny fokonolona ny razana. Ny andron’io ihany dia efa nisokatra ny fanadihadiana ka lehilahy iray no voasambotra tao amin’ny kaominina Ankazomiriotra. Marihina fa tsy niangona tamin’ny toerana ireo mpamono olona fa mipetraka amin’ny kaominina samy hafa mihitsy. Nitohy ny fisamborana ka ny 9 martsa dia niampy iray indray ny voasambotra tao Vinaninony, distrikan’i Faratsiho. Taorian’io, telo no tsy afa bela tamin’ny fanadihadiana. Iray hafa kosa notadiavina tany Isaka misy ny trano fonenany, saingy tao Ambohimanambola no voasambotra. Mitotaly fito hatreto no voasambotra ka vehivavy ny iray. Nampivarahotsana kosa no nahalalana fa anadihin’ilay ramatoa ny roa amin’ireo namono nahafaty azy. Raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny zandary, tapabolana talohan’ny nisian’ity vono olona ity, nandalo tao amin’izy mivady maty ireto ny zanak’ilay anadahiny. Narary anefa io zanaky ny anadahiny io rehefa nody tao aminy ka nindaosin’ny fahafatesana mihitsy. Teo am-pialana aina no nirediredy ary nanonona ny anaran’ilay ramatoa anabaviny. Noraisin’ity anadahiny ho nahavita namosavy ny zanany ny anabaviny ka izao nitarika azy nahavanon-doza namono ny anabaviny sy ny zaodahiny izao. Natolotra ny fitsarana omaly izy 7 mianadahy ary nidoboka am-ponja miandry ny fitsarana azy.
Andry N.