- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Brickaville : Manao antso amin’ny filoham-pirenena ireo fianakavin’ny maty

Vono olona tao Brickaville : Manao antso amin’ny filoham-pirenena ireo fianakavin’ny maty

“Tsy hitanay intsony izay atao, fa izay fitarainana ataonay amin’ny fitsarana dia tsy misy valiny, na mivilana ny andikana azy. Aza avela handray fepetra izahay fianakaviana, fa tena tsy misy mpihaino izahay…”, izay no nambaran’Atoa Massou Ghislain, rahalahin’ilay rangahy maty notifirin’ny zandary am-pahibemaso ny 07 janoary teo tao Brickaville. Raha ny fanazavan’ny fianakaviana hatrany dia efa niakatra fitsarana teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha, fa tsy nisy voatazona am-ponja ireo zandary namono ny havany sy ilay niray tsikombakomba tamin’ny famonoana azy. Nambaran’Atoa Massou Ghislain aza fa izy ireo indray no hidedahan’ilay zandary namono, ka lasa mampiakatra ny fahatezeranay izany fihetsika izany, araka ny nambarany, ka hahatonga anay hanaotao foana ny farany. Naverin’ireo fianakaviana ireto hatrany fa tsy mpikambana amin’ny andian-jiolahy izany ny havany, nitsabo tena tamin’ny fanorana ny anton-diany tao Brickaville, saingy tratran’ny tsy azo anohanarana dia niafara tamin’ny fitifirana azy iny ny raharaha, noho ny tondro molotra hoe niaraka tamin’ny mpanafika tokantrano. Vokatry ny tsy fahitana rariny tamin’ny raharaham-pitsarana teto Toamasina, dia mangataka amin’ny filoham-pirenena, na izay afaka mijery ity raharaha vono olona tao Brickaville ity, ny fianakavian’ny maty. Manao antso avo mihitsy Atoa Massou Ghislain, fa tsy hijanona ny hetsika ataon’izy ireo mandra-pahitana ny rariny sy ny marina, momba an’ity fitifirana ny rahalahiny tao Brickaville ity. Efa in-02 izy ireo no nantsoina sy  nohenoina ary nivezivezy teo anivon’ny fitsarana nefa tsy nisy vokany avokoa izany rehetra izany. Ny fampidirana am-ponja vonjimaika ity zandary namono ny havany ity no tadiavin’ireo fianakaviana, “mba hampitony aloha ny fonay”, hoy Atoa Massou Ghislain.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici