- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Sainte-Marie : Hisy fihaonana any Paris, eo amin’Atoa Rajaonah...

Vono olona tao Sainte-Marie : Hisy fihaonana any Paris, eo amin’Atoa Rajaonah Thierry Lauret sy Rtoa Onfray Alexandra

Araka ny angom-baovao marim-pototra, dia hoany Paris hitondra ny dika mitovy amin’ilay antontan-taratasin’ady momba ilay vono olona tao Sainte-Marie, nanagadrana olona 5 vonji- maika, ny tonia Mpampanoa lalana Toamasina, Atoa Rajaonah Thierry Lauret. Hisy ny fihaonany manokana amin’ny lefitra voalohan’ny tonia Mpampanoa lalàna ao Paris, Rtoa Onfray Alexandra mandritra izany.

Ny angom-baovao ihany no nahalalana, fa misy iraky ny minisiteran’ny fitsarana malagasy ihany koa hiara-dia aminy amin’izao diany any Paris izao, ka hisy ny dinik’asa ara-pitsarana sy araka ny làlana ary araka ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny sehatry ny fitsarana misy eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, amin’ny fisahanana ny raharaha noho ny fisian’ilay tera-tany frantsay iray voarohirohy sy miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy, tamin’iny vono olona tao Sainte-Marie iny. Hatreto anefa tsy mbola nisy aloha ny fangatahana nataon’ny fitsarana frantsay mikasika io tera-tanany io hotsaraina any aminy, satria teto amintsika no nitranga ny heloka vitany, ka ny fitsarana malagasy no mitsara ny raharaha.

Ny hany tsy nahazoana fanazavana kosa,   ho voandàlana entin’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina avy any Frantsa, sy ny solon-tenan’ny minisiteran’ny fitsarana miara-dia aminy ve, ny valin’ireo fitiliana “ADN” niisa 43 nalaina tao Sainte-Marie sy tamin’i Romain sy Magalie tany Frantsa? Miankina amin’io valin’ny fitiliana io mantsy ny ho tohin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana manaraka, ary miankina amin’izay ihany koa ny fidiran’ny raharaha fanindroany eo anivon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana mihazona ny antontan-taratasin’ady.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici