Tsy nahafa-po ireo mpianatry ny Polytechnique Vontovorona ny fihaonan’izy ireo tamin’ny ministeran’ny fampianarana ambony, ka nanohy ny hetsika izy ireo omaly. Nivoaka ny faritry ny oniversite izy ireo noho izany, izay efa nivonona teny amin’ny manodidina ny mpitandro filaminana. Somary nafampana aza ny hetsika teny an-toerana. Araka ny fanazavan’ny mpianatra, nangataka ny hanomezana ny vatsim-pianarana efa-bolana izy ireo, saingy iray volana sy fampitaovana ihany no efa vonona eny anivon’ny minisitera. «Ny ambiny kosa mbola miandry ny fampiasana ny karatra nomerika », hoy ny filazan’ny mpianatra. Nanambara moa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony fa vatsim-pianarana iray volana sy fampitaovana no efa vita sonia. Entina eny anivon’ny governemanta kosa ny momba ny fampiakarana ny vatsim-pianarana. Nilaza ny mpianatra fa hanohy ny hetsika izy ireo mandra-pahitana vahaolana mifanaraka amin’ny fitakian’izy ireo.
Yv Sam