
Raikitra ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny sekoly ambony polytechnique Vontovorona sy ny mpitandro filaminana omaly. Zandary efatra naratra vokatr’izany ary olon-tsotra miisa telo ihany koa. Vokatry ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nahatonga izany faharatrana izany. « Zazakely vao 9 volana, mpianatra kely iray, olon-tsotra mpandalo 1 ary zandary 4 no naratra vokatry ny torabato nataon’ireo mpianatra taty amin’ny arabe ivelan’ny oniversite », hoy ny zandary.
Nivoaka nanao fihetsiketsehana tampoka ireo mpianatr’i Vontovorona omaly ary nanapaka lalana mihazo ny faritry ny oniversite. Niditra an-tsehatra noho izany ny mpitandro filaminana nandrava ny sakana tamin’ny alalan’ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso ka nitoraka amin’izay ireo mpianatra. Nandritra izany no namparatra ireo zandary efatra sy olon-tsotra telo. Raha ny fanazavana, mangataka ny handoavana ny vatsim-pianarana efa-bolana ary mbola miampy fampiakarana ny tahan’izany ireo mpianatra ireo. Toy izany koa ny fanatsarana ny trano fonenan’ny mpianatra izay fa tena ratsy tokoa. « Fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, fisakanan-dalana sy fandraràna ny olona sy fiarakodia tsy hivezivezy, fandrehetana kodiarana sy hazo tamin’ny solika manerana ny lalana miaraka amin’ny fitorahana cocktail molotov. Vono sy ratra an-tsitrapo amin’ireo mpitandro filaminana, torabato sy fikapohana olon-tsotra tsy mahakasika ny fitakian’izy ireo akory, herisetra sy fandrombàna ary fangalarana entam-barotra, herisetra sy fanimbana toeram-ponenan’olon-tsotra maro.Hisokatra ny fanadihadiana mikasika ireo fandikan-dalàna voatanisa ireo ary tsy maintsy hihatra ny lalàna velona. », hoy ny filazan’ny zandary manoloana ity tranga ity.
Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana teny an-toerana ny tapak’andro hariva. Hisy ny fihaonana eo amin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitry ny Croua androany raha tsy misy ny fiovana.
Yv Sam