- Publicité SW45 -
dimanche, janvier 19, 2025
AccueilFaits-DiversKandreho-Betsiboka : Votsotra teo am-pelatanan'ireo jiolahy ny takalon'aina mpiandry Omby

Kandreho-Betsiboka : Votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny takalon’aina mpiandry Omby

Efa mitady handady, any amin’ny disitrikan’i Kandreho iny indray ny asan-dahalo miseho heno etsy sy eroa. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia andian-dahalo maromaro tsy voafaritr’isa nitondra basim-borona no nanafika tao amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra Atsimondrano, any amin’ny disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Alatsinainy faha 21 Oktobra lasa teo, tokony tamin’ny misasak’alina tany ho any. Lasan’ireo malaso nandritra izany ny omby tao am-bala sy ny takalon’aina iray mpiandry Omby. Tsy niandry ela ny jiolahy, fa niroso tamin’ny fandosirana nalaky niaraka tamin’ireo omby sy ny takalon’aina iray. Soa ihany koa fa nahazo antso ara-potoana ny Zandary, avy ao amin’ny zana-tobim-paritran’Ambanjabe, niaraka tamin’ireo mpiray dinam-pokon’olona, nanao ny sakana tao ambony atsimo, izay heverina fa mety ho lalana hizoran’ireo malaso. Iny tonga teo amin’ny toerana atao hoe: Anatialamanga/Andolobe iny malaso, dia nisavoritaka teny am-pitondrana ny omby halatra. Teo no nanaraotra nandositra nanavotra ny ainy, ilay takalon’aina no efa nihatrana ihany koa ny mpanara-dia, ka raikitra ny fifanjevona. Vokany: nilavo lefona vaky nandositra, ireo olon-dratsy no nampetran’ireo teo ny omby halatra nalainy. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany kosa, ilay lehilahy tokony 34 taona, natao takalon’aina. Tsara ihany koa no mampahafantatra fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, nandritra ny fifandonana. Saingy mitohy hatrany ny hazalambo atao amin’ireo dahalo, ary efa nomena ny tompony avokoa ny omby rehetra.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici