Nihaona teny amin’ny tranom-pokonolona Santa Maria Tanambao V ny mpikamban’ny vovonana « Gasy tontotry – Mahazo onondraha » tarihin-dRakotomalala Henry, na Riribe. Nandritra izany fihaonana izany no nametrahan’izy ireo fepetra hamahana ny olom-piainam-bahoaka amin’ny fanjakana foibe sy ny governemanta mpanatanteraka.
Isan’izany ny momba ny fiainam-bahoaka araka ny fahitan’ny vovonana « Gasy tontotry – Mahazo onondrana » azy. Ao ny momba ny karama tsy azo ho an’ny mpiasan’ny kaominina, 5 volana ho an’ny mpiasa raikitra ary 12 volana ho an’ny mpiasa an-tselika. Ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatry ny Oniversite. Ny momba an’ireo tany nalain’ireo olom-bitsy mpiady tany amin’ny vahoaka. Fanomezana toerana hivarotana ho an’ireo mpivarotra teny amoron-dranomasina, Miami, nanana toerana nivarotana hatramin’izay ;…ary ny fampitsaharana ny fanaovana delestazy lava eto Toamasina mahatonga tsy filaminana.
Eo ihany koa ny resaka raharaham-pirenena araka ny fahitan’ity vovonana ity azy, ka isan’izany koa ny famoahana am-ponja ireo zanak’i Toamasina nogadrain’ity fitondrana ity, ahitana an’i Berija, Eddy bois de rose, ary Mbola Joseph Rajaonah. Eo koa ny raharaha minisitry ny fitsarana, Atoa Imbiky Herilaza. Tokony atsahatra ny antsojay atao aminy sy ny fanenjehana azy. Indrindra ny fitakian’izy ireo ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena mba hialana amin’ny hosoka sy loza entin’ny fifidianana eto amintsika. Ny fametrahana ny fihavanam-pirenena tena izy, ary ny fanaovana ny fifidianana lalampanorenana. Ny fampitsaharana ny fisamborana noho ny hevitra tsy mitovy fa tsy mahasoa ny firenena.
Vokatr’izany rehetra izany dia manome iray volana amin’ny governemanta sy ny fanjakana ny « Gasy tontitry – mahazo onondrana », ka aorian’zay dia hidina an-dalam-be izy ireo sy ny vahoaka mpiara-dia aminy rehetra ho fitakiana ireo fangatahan’izy ireo. Tsy hihemotra amin’izay mety ho fampitahorana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisamborana izy ireo noho ny tombontsoam-bahoaka sy ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra.
Malala Didier




