- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversWawa : Nianjera teny ambony lapihazo

Wawa : Nianjera teny ambony lapihazo

Nandritry ny fampisehoana izay nataony no nianjera mafy. Tsy feno ilay lapihazo ary tsy hitany ary dia nianjera tany amin’ny tany nisy ny mpijery. Saingy teo no ho eo ihany dia tafatsangana ary niverina teo ambony toerana nanaovana fampisehoana indray ary dia nitohy ny lanonana. Na izany aza anefa dia nitsotra izy fa naratra. Ny tarehy, ny tongotra ary ny tànana dia samy nofonosana avokoa ho an’ny artista Wawa. Nampanantena izy anefa fa tsy hisy hofoanana ny hetsika manaraka izay hataony na dia teo aza iny tranga iny. Vetivety koa dia niparitaka ny vidéo izay nahakasika ilay fianjerana. Tao ny nihomehy ary tao koa ny nahatsapa fa zavatra mety hitranga izany amin’ny asan’ny mpanakanto. Tsy vao izay rahateo no nisy ny indro kely toa ireny, indrindra any ivelany. Fa eo kosa ny hahitàna ny tena matihanina : mijoro avy hatrany ary tsy mampiseho fahavoazana ho an’ny mpijery. Na ny mpanakanto lehibe any ivelany toa an’i Beyoncé aza dia efa niharan’ny toa izany rehefa saika nianjera ny fiara nihantona amin’ny tady izay nanaingoana seho. Tsy nijanona ny fampisehoana raha vao afaka ny loza.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici