- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-Divers« Zaimaika » : Torana ny mpisakafo, tezitra ny mpivarotra

« Zaimaika » : Torana ny mpisakafo, tezitra ny mpivarotra

« Efa ho olona roapolo any ho any raha kely indrindra, satria izay no voaisanay, no niharan’ny toy izao hatramin’ny niandohan’ny taona. Nanomboka ny alatsinainy teo fotsiny ohatra dia efa olona roa no torana tsy nahatsiaro tena », raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra eo amin’ny toeram-pisakafoanana « Zaimaika », etsy Analakely. Ny anton’izany, raha araka ny fanehoan-kevitr’ireo olona, dia noho ny toerana tsy misy fivoahan-drivotra. Tezitra ireo mpivarotra noho ny zava-misy satria lasa mampihena ny mpanjifa eo anivon’ity toerana fanta-daza sy falehan’ny mponina maro eto an-drenivohitra hatramin’izay ity. Ireo izay mivarotra eo ampovan’ny tsena no tena sahirana, satria tena zara raha misy rivotra mifamezivezy ao. Isan’ny hitan’izy ireo fa tsy mety koa ny mbola fampanofan’ny kaominina ny sisiny izay manamorona an’Ambodifilao amin’olona maromaro. « Vao mainka ireo trano manakana ny rivotra tsy hiditra ao anatin’ny Zaimaika », hoy ihany ny fitarainan’ireo mpivarotra. Manolona izany dia hisy ny fivoriana miaraka amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina anio mba handinihana izay mety ho vahaolana manara-penitra amin’ity fotodrafitrasa mahatorana olona maro ity. Toerana manan-tantara eto Iarivo ny Zaimaika ary ao no fisakafoanan’ny olona miasa eny Analakely, ny mpandeha eny an-toerana ary indrindra koa ireo izay mila sakafo maika. Novain’ny kaominina tanteraka ny firafitry ny trano mba hanatsaràna azy sy haha-maoderina kokoa izany. Ankehitriny anefa, lasa olana ny tsy fisian’ny rivotra izay miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ny mpanjifa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici