- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversZanadranavalona : Hankalaza ny Alahamady eny Anosimanjaka

Zanadranavalona : Hankalaza ny Alahamady eny Anosimanjaka

Noho ny hamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina COVID-19 izay mihatra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana dia tsy hasiana hetsika iraisana toy ny fanao hatramin’izay ny fankalazana ny andiany faha-445 ny taombaovaon’Imerina amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Ravelonarivo Alain Eddie, fa samy hanamarika izany isan-tokantrano ny fianakaviana. Ny  fikambanana Zanadranavalona, ivondronan’ny taranak’i Nenibe Ranavalotsimitoviaminandriana eny Anosimanjaka anio 23 mey izao. Na izany aza dia tsy nivaona tamin’ny fanisan’andro nolovaina tamin’ny Mpanjaka Ralambo teto Imerina ny tetiandro narahin’ny Zanadranavalona nandritra ny taon-jato efatra nifandimby ka nampifanindry hatrany ny alahamady amin’ny fanisana andro arabo nadikan’i Habibo, mpanandro nobaikoin’ny mpanjaka hanao io tetiandro io tamin’izany. Izany dia porofoin’ny anaram-bolana sy andro arabo izay mbola tazonin’ny malagasy hatramin’izao sy ny fomba fanisana andro mifanaraka amin’ny tsinam-bolana ka mampiovaova hatrany ny vaninandro, araka ny fanazavan’i Rabearisata Arima, mpahay momba ny tetiandro malagasy.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici