
Tontosa omaly, ny lanonana ara-miaramila, nanaovana ny famindram-pibaikoana, ny fanolorana ny faneva sy ny sabatra, teo amin’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Boeny teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Livah sy ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary vaovao, ny Lt-Kly Randriamahery Faniry. Lanonana izay natao teny amin’ny Bord de la mer, tao Mahajanga be ary notronin’ireo tompon’andraikitra ambony isanisany, nahitàna ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila tao an-toerana. Nofarana tamin’ny matso lehibe izany lanonana ara-miaramila izany tany an-toerana.
m.L