- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Basy mahery vaika 48 no azo teny an-tanan’ny jiolahy

Zandarimariam-pirenena : Basy mahery vaika 48 no azo teny an-tanan’ny jiolahy

Azo lazaina fa nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny zandary ho fampandriana fahalemana ny tany sy firenena indridra ny tontolo ambanivolo nandritra ity taona ity. Nisongadina izany tao amin’ny tatitra nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria nanoloana ny mpanao gazety omaly rehefa avy nanokatra ny fivoriam-be iraisan’ireo mpitantana ambony eo anivon’ity Hery ity mieli-patrana eran’ny Nosy. Hita taratra izany raha tsy hilaza afa-tsy ny isan’ireo fitaovam-piadiana azo teny am-pelatanan’ny jiolahy nandritra ireo hetsika nataon’ny zandary. Nahatratra 117 ny basy azo ka ny 48 amin’izy ireo dia basy mahery vaika avokoa. 69 kosa basim-borona ary nahatratra 625 ireo bala. Marihina fa maro amin’ireo fitaovam-piadiana ireo no vita gasy tsotra izao. Porofo mivaingana fa mbola maro ny asa miandry ny mpitandro filaminana Malagasy mba hampadriana fahalemana ity Firenena ity. Koa manoloana izany, miantso hatrany ny fiaraha-miasan’ny isam-baton’olona ny Sekretaram-panjakana miadidy ny Zandariamaria mba hifanome tanana na dia amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao ihany aza mba hahatontosan’izy ireo ny andraikitra nankinina aminy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici