- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Fidinana ifotony hampandriana fahalemana ny Nosy

Zandarimariam-pirenena : Fidinana ifotony hampandriana fahalemana ny Nosy

Ho fanohizana ny fidinana ifotony ho fametrahana fandriampahalemana manerana ny Nosy atao’ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria, ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana indray no notsidihan’ny tampon’andraikitra ambony avy ao amin’ity departemanta ity, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona,  izay nahitana manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony avy ao amin’ny fibaikoana ny Zandarimaria, tamin’izany ny Jeneraly Tsirivelo Nocolas, Talen’ny kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ka ny : distrikan’i Vondrozo, Ifanadiana, Antsenavolo, ary Vangaindrano no nanaovana izao bemidina izao. Fanaovana tomban’ezaka amin’ny fampiharana ny toromarika avy amin’ny jeneraly Sekereteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy fanamafisana ireo fanentanana sy baiko nomena no natao nandritra ny dia. Nambaran’ny lehiben’ny Zandary tamin’izany, fa nisy ny vokatra azo nandritra ny fametrahana ireo paik’ady vaovao ka hotohizana. Mbola nanao antso avo hatrany moa ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas, ny mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’ny hery rehetra, hamongorana ny tsy fandriampahalemana sy hiadiana amin’ny kolikoly.

Zon’olombelona. Fantatra izao  fa, hanana solontena amin’ny Fivoriana mikasika ny fanajana ny Zon’olombelona izay hatao any  amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana any Genève, ny 30 novambra sy ny 1 desambra ho avy izao ny Zandarimaria malagasy. Ny Jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo, talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny any ivelany ao amin’ny Sekreteram-panjakana sady misahana sy fandrindrana ny fampiharana ny fanajana ny Zon’olombelona eo anivon’ny Zandarimaria no hiatrika izany. Noho ny fahatsapan’ny Croix Rouge Iraisam-pirenena miandraikitra ny ato amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny asa mivaingana efa vita sy ny fahavononana tanteraka nasehon’ny Zandarimaria, amin’ny fanajana ny Zon’olombelona ; nandritra ny tomban’ezaka nataon’ity fikambanana iraisam-pirenena ity teto, volana vitsy lasa izay no anton’izao fanasana izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici