- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Hiara-hiasa i Inde sy Madagasikara ho fanatsaràna ny fandriampahalamena

Zandarimariam-pirenena : Hiara-hiasa i Inde sy Madagasikara ho fanatsaràna ny fandriampahalamena

Tonga nitsidika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly  Randriamahavalisoa Girard, tao amin’ny birao fiasany tetsy Betongolo, omaly, ny masoivohon’i Inde miasa sy monina eto amintsika, Atoa Subir Dutta. Fitsidiam-piaraha-miasa izy ity, izay niompana betsaka kokoa tamin’ny lafiny fanatsarana ny fandriampahalemana eto amintsika. “Niompana tamin’ny  fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fanatsarana  ny fandriampahalemana ny diniky ny roa tonta. Nodihina ihany koa ny fanampiana ara-pitaovana ho an’ny Zandarimariam-pirenena” hoy ny fampitam-baovao.  Tetsy andanin’izay, “ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, dia naneho fisaorana ny masoivohon’i Inde ary naneho ihany koa ny  fahavononany hatrany hanoy ny fiaraha-miasa”. Marihina, fa tamin’ny toan-dasa dia efa nanao fitsidiham-piaraha-miasa tamin’ilay « Expo de la Défense » tany New Delhi Inde ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Ny governemanta Indiana, dia hanome vatsim-pianarana amin’ny karazam-piofanana  20 ho an’ny miaramila eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici