- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Notsirihana ara-teknika avokoa ireo fiara ampiasain’izy ireo

Zandarimariam-pirenena : Notsirihana ara-teknika avokoa ireo fiara ampiasain’izy ireo

Nentina natao fitsirihana ara-teknika avoka ireo fiara ampiasain’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena, nanomboka omaly tetsy amin’ny ivon-toerana fitsaràna fiarakodia tetsy By-pass Alasora. Araka ny voalazan’ny  didim-panjakana (décret) laharana faha 71-138 ny 23 marsa 1971, andininy R.124 andalana faha-5 sy ao amin’ny andininy R.260 fizarana (paragraphe) faha-3 izay  nohamafisin’ny filankevitry ny Governemanta ny Alarobia 18 septambra 2019 teo fa tsy maintsy entina atao fitsirahana ara-teknika avokoa ny fiarakodiam-panjakana rehetra (véhicules administratifs). Nanao ny anjara tandrify azy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Fanombohana ihany izao fa araka ny baiko dia tsy maintsy hovitaina fitsirihana ara-teknika avokoa ireo fiara rehetra ampiasain’ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy.

Izao no natao dia mba ho fisorohana ireo loza mety hiseho, indrindra fa hialana amin’ny tsy fahatomombanana ara teknika mandritra ny fampiasana ireo fiaram-panjakana. Mbola manentana hatrany ny eo anivon’ny foibe fitsaràna fiarakodia hoan’ireo tompon’andraikim-panjakana mba hanao fitsirihana ara-teknika ireo fiaram-panjakana ampiasainy fa tsy an-doavam-bola ny fanaovana izany ary indray mandeha isan-taona ihany.

nangonin’i m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici