Nentina natao fitsirihana ara-teknika avoka ireo fiara ampiasain’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena, nanomboka omaly tetsy amin’ny ivon-toerana fitsaràna fiarakodia tetsy By-pass Alasora. Araka ny voalazan’ny didim-panjakana (décret) laharana faha 71-138 ny 23 marsa 1971, andininy R.124 andalana faha-5 sy ao amin’ny andininy R.260 fizarana (paragraphe) faha-3 izay nohamafisin’ny filankevitry ny Governemanta ny Alarobia 18 septambra 2019 teo fa tsy maintsy entina atao fitsirahana ara-teknika avokoa ny fiarakodiam-panjakana rehetra (véhicules administratifs). Nanao ny anjara tandrify azy ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Fanombohana ihany izao fa araka ny baiko dia tsy maintsy hovitaina fitsirihana ara-teknika avokoa ireo fiara rehetra ampiasain’ny zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy.
Izao no natao dia mba ho fisorohana ireo loza mety hiseho, indrindra fa hialana amin’ny tsy fahatomombanana ara teknika mandritra ny fampiasana ireo fiaram-panjakana. Mbola manentana hatrany ny eo anivon’ny foibe fitsaràna fiarakodia hoan’ireo tompon’andraikim-panjakana mba hanao fitsirihana ara-teknika ireo fiaram-panjakana ampiasainy fa tsy an-doavam-bola ny fanaovana izany ary indray mandeha isan-taona ihany.
nangonin’i m.L