- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena Toamasina : Tratra ilay mpangalatra moto nikoizana

Zandarimariam-pirenena Toamasina : Tratra ilay mpangalatra moto nikoizana

Saron’ny zandary avy ao amin’ny sampana mpikaroka heloka bevava teny amoron-dranomasina, ny mpangalatra moto iray izay efa tena nikoizana mihitsy ary efa ela nokarohina teto Toamasina. Tratran’ny zandary ambodiomby mihitsy izy tao amin’ny fokontany Analakininina Hopitalibe, izay teny amin’ny faritry ny miaramila sy zandary no nanaovany ny asa ratsy. Araka ny fanazavana dia moto nipetraka 05m miala ny tompony tao Analakinina no novelominy tampoka ka taitra ny tompony, saingy efa nirifatra tamin’ilay moto ity mpangalatra. Teo dia niezaka ny nanenjika ny fananany ilay tompony, saingy ny olon-kafa nahita ny raharaha no niantso zandary izay tsy lavitra teo, ka raikitra ny fifanenjehana. Tratra ihany ny tenany raha tsy lasa lavitra, ka nandritra izany no nahalalana fa manana ireny karazana lakile « passe partout » ireny teny aminy ity mpangalatra ikoizana ity. Fantatra ihany koa fa tsy mifidy moto angalarina ity tovolahy ity fa izay moto sendra azy dia haripany avokoa noho io lakile any aminy io. Araka ny fanazavan’ny zandary koa dia fantatra fa efa mpanamboatra moto teo aloha (ex-mécanicien) tamina magazay iray teto Toamasina ny tenany, nefa lasa mpangalatra moto izao ankehitriny. Raha ny filazan’ity mpangalatra moto ity dia efa tsy voaisany intsony ny moto efa nangalariny teto Toamasina sy ny manodidina. Miandry ny fitsarana azy ao amin’ny fonjaben’i Toamasina ny tenany amin’izao taorian’ny fiakarany fampanoavana sy fitsarana ambaratonga voalohany teto Toamasina ihany; raha nisaotra ny fiantsoana azy ireo haingana nataon’olona tsara sitra-po ny zandary tao amin’ny sampana heloka bevava Toamasina eny amoron-dranomasina. Ny fiaraha-miasa tahaka izany ihany no ahafahana manafongotra ny mpanao ratsy eto Toamasina hoy ireto zandary.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici