Nifampikasi-tànana tetsy Anosibe ny herinandro lasa teo, samy niteraka fahasorenana teo amin’ny vondrona roa tonta ny zava-nitranga. Mazava hoazy, fa samy niaro ny azy na dia nisy aza ny fanadihadiana nosokafana. Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary izay nisafidy ny tsy hanonona anarana no nanazava taminay , fa horesahana eo anivon’ny rafi-pitantanana ambonimbony kokoa iny tranga iny. Nohazavainy ny hitondrana ny resaka eo anivon’ny fivorian’ny Emmo-nat, na ny tompon’andraikitra ambonin’ny vondrona telo izay misy dia: ny miaramila, ny zandary ary ny pôlisy. Niteraka lonilony tsy araka ny neritreretina ny zava-nisy, indrindra rehefa nisy ny totohondry sy ny fisamborana. Lasa mifampiandry ireo samy mpitandro ny filaminana izay tokony hanana asa mirindra mba hahafahan’izy ireo miady amin’ny jiolahy. Saingy mbola tsy izany aloha no misy ankehitriny…
D.R.
Zandary sy polisy niady : Hodinihina anio eo anivon’ny Emmo-Nat
Articles qui pourraient vous intéresser