- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZava-mahadomelina : Hatreny Iavoloha ny mpivarotra rongony

Zava-mahadomelina : Hatreny Iavoloha ny mpivarotra rongony

Roa lahy no voasambotry pôlisy teny Ambohibao Iavoloha, ny alakamisy lasa teo, noho ny resaka fivarotana sy fanaparitahana rongony. Vaovao azon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny zava-mahadomelina teny Anosy no nahafahan’izy ireo nidina avy hatrany teny an-toerana. « Naharay vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny polisy fa misy mpivarotra rongony eny Ambohibao Iavoloha. Nidina ifotiny ny Polisy nijery ny zava-misy ary rehefa feno ny angom-baovao dia ny 31 aogositra maraina no natao ny vela-pandrika. Tokony ho tamin’ny 10 ora no tratra teo am-pivarotana ireto roa lahy ka noraisim-potsiny. Nentina teny anivon’ny biraon’ny STUP eny Anosy izy ireo hatao famotorana. Niaiky ny heloka vitany izy ireo ary nilaza fa itambarany io rongony amidiny io », araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Marihina fa samy mponin’Iavoloha izy roa lahy ireto ary miara-mipetraka. Omaly moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici