- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversZaza nariana nisy nahita : Ara-dalàna ny nandraisan’ilay vazaha hitaiza azy

Zaza nariana nisy nahita : Ara-dalàna ny nandraisan’ilay vazaha hitaiza azy

Niparitaka tao anatin’ny tambajotran-tsearasera « facebook » omaly ny fisian’ny vehivavy nilaza fa nahita zaza izy ary saika hitazona ka hitaiza izany. Nilaza anefa izy fa tsy arakaraka ny noeritreretiny ny zava-nitranga rehefa nitondra izany teo ami’ny manam-pahefana ny tenany. Nomen’ny polisy teratany vahiny ilay zaza ka mahatonga azy hieritreritra fa mety ho nisy kolikoly tao ka nahazoan’io vazaha io ilay zaza. Manoloana izany dia nitondra fanazavana ny avy eo anivon’ny polisy fa manaraka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ny nahazoan’io teratany vahiny io mitazona io zaza io rehefa nalainy teo anivon’ny polisim-pirenena. Araka ny fanazavana avy amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny ady amin’ny heloka mamoafady, na ny PMPM, etsy Taralalàna dia misy paikady tsy maintsy arahina, rehefa sendra tranga fahitan-jaza, na zaza very io na zaza nisy nanary. Ny atao voalohany dia ny mampandre na mitondra ilay zaza eo anivon’ny tompon-andraikitry ny fokontany. Aorian’izany dia tsy maintsy entina eny amin’ny tobim-pahasalamana ilay zazakely. Amin’ny maha olombelona no anaovana izany. Aorian’izay dia tsy maintsy manatona ny PMPM. Mandritra izany no hanaovana fanadihadiana ireo eo anivon’ny fokontany sy ilay olona nahita ilay zaza. Tanjona ny ahafantarana izay mety ho renin’ilay zaza na ny olona mety hahafantatra azy. Aorian’izay dia mifandray mivantana amin’ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona ny polisy. Ny mpitsara no manapaka, na mandalo eo anivon’ny fitsarana avy hatrany ilay zaza, na kosa itadiavana akany izay azony itoerana amin’ny fotoana voafetra. Fa aorian’izay dia tsy maintsy atolotra ny fitsarana ilay zaza sy ny olona nahita azy ka eo no ahafantarana na ovaina ny akany itoeran’ilay zaza, na hamafisin’ny fitsarana ny fijanonan’ilay zaza ao amin’ilay akany nametrahana azy vonjimaika. Tsara homarihina fa diso tanteraka ny fiheverana hoe ilay olona nahita ilay zaza no lasa tompony, ombelona no resaka eto fa tsy zavatra tsy akory. Aorian’izany dia ny akany no miandraikitra ny kopian’ ilay zaza, izy ihany koa no afaka manapaka raha efa azo alefa amin’ny fananganan-jaza ilay zaza. Mikasika ilay teratany vahiny manokana dia nambaran’ny avy eo amin’ny PMPM fa lehiben’ny toby fitaizana zaza iray eto andrenivohitra io olona io, ary manana ny antontan-taratasy rehetra sy ny alalana ara-dalàna avy amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny ministeran’ny mponina ahafahany mitaiza zaza. Mampahatsiahy moa ny eo anivon’ny PMPM fa ny Polisy dia mampihatra ny lalàna izay mitsinjo indrindra ny tombotsoa ambonin’ny ankizy, fa tsy ny tombotsoan’izay nahita ilay zaza, na ny an’ny akany, na ny tombotsoan’ny Polisy.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici