- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZaza tsy ampy taona : Mpifoka rongony sy mpanendaka voasambotra

Zaza tsy ampy taona : Mpifoka rongony sy mpanendaka voasambotra

Ny roa tamin’ireo voasambotra

Miisa telo no nosamborina tamin’ny toerana telo samihafa dia ny kartien’i Tanjombato, Andavamamba ary Mahamasina. Ny iray 14 taona, ny faharoa 17 taona ary ny farany kosa dia nandray 18 taona vao tsy ela akory izay. Asa fanendahana sy fifohana rongony no anton’ny nisamborana azy ireo ary izany dia taorian’ny fitarainana maro izay nampitain’ny olona tamin’ny polisy etsy Mahamasina. Nanomboka teo ary ny vela-pandrika sy ny asa fitsikilovana natao. Rehefa voasambotra ny roa voalohany dia nanazava ny iray tamin’izy ireo fa efa fanintelony izy no nigadra tetsy Antanimora ary vao iray volana monja aza izay no nivoahany ny fonja. Ilay zaza 14 taona kosa, teo am-pikasàna ny hanao sinto-mahery no voasambotry ny polisy izay efa nanaraka azy. Miray tendro amin’ireo namany roa hatrany izy amin’ny fanaovana ny asaratsiny. Ny ampitson’ny nahazoana ireo dia voasambotra ny iray hafa izay nanazava nandritra ny fihainoan’ny polisy azy fa ireo olona vao avy nijery baolina tao Mahamasina, ny harivan’ny alahady teo, no tena nataony sy ny namany lasibatra. Io alahady io ihany, nisy tanora iray 17 taona, sarona nifoka rongony teo Anosy. Ankoatra izay teny am-bavany dia mbola nisy fonosana roa hafa tao anaty kitapony. Vao avy novidiany teny amin’ny faritry IVO etsy 67ha izany, raha araka ny fanazavany, ary vatsiny mandritra ny herinandro ireo sarona teny aminy ireo. Mania tanteraka ny tanora sasany ary tsy matahotra ny fonja intsony ny ankamaroany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici