Nampiakarina tao Iavoloha ilay zaza varira iray nisy naka an-keriny tany Vangaindrano ary efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany. Tonga teto Antananarivo niaraka tamin’ny reniny ilay zaza, ka noraisin’ny Filoham-panjakana tao an-dapa. Fotoana iray nanehoana ny fiahian’ny Fanjakana manoloana ny tranga fakàna an-keriny sy ny loza mety hihatra amin’ireo zaza varira. Araka ny fanazavana, mbola mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, mba hamantarana ireo tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny sy ireo olona mety ho ao ambadik’izany. Nankasitraka manokana ireo mpitandro ny filaminana nandray anjara tamin’ny famonjena ilay zaza ihany koa ny Filoham-panjakana. Ho fankasitrahana ny ezaka sy ny asa vitan’izy ireo, dia nambara ny fanomezana “bonification d’ancienneté” enim-bolana ho an’ireo mpandray anjara, izay hahafahan’izy ireo mahazo galona haingana kokoa. Nohamafisin’ny Filoham-panjakana fa tokony hohamafisina hatrany ny ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny fiarovana ny ain’ny olona, indrindra ny ankizy, ary amin’ny ady amin’ny heloka bevava. “Hatao izay rehetra azo atao amin’ny fanomezana lanja sy fanatsarana ny asa vitan’ireo mpiasam-panjakana nahavita soa, nanavotra ain’olona ary nanavotra firenena », raha araka ny fanazavana. Maneho ny fahavononan’ny Fanjakana hanome lanja ny asan’ireo mpitandro filaminana sy mpiasam-panjakana mandray andraikitra amin’ny famonjena aina sy ny fiarovana ny vahoaka izao fandraisana ilay zaza varira izao.
D.R




