- Publicité -
samedi, novembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZaza varira : Nisy nanolana ary bevohoka

Zaza varira : Nisy nanolana ary bevohoka

Tojo olana tanteraka ilay zaza manana toe-tena varira. Mazava hoazy fa mbola tsy ampy taona izy amin’ny maha-zaza azy. Nisy nanolana anefa izy io tany amin’ny volana may tany ho any. Ankehitriny dia mitondra vohoka ilay olona kanefa ilay mpanolana koa dia efa niditra am-ponja, ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Ny hany herin’izy ireo mba hiatrehana ny tsy fahasalam’ilay zaza sy ny mety ho fiatrehana ny fiterahana, satria efa enim-bolana izany ny zaza ao an-kibony, dia ny mangataka fanampiana ampahibemaso ho an’ireo izay mety ho malala-tànana. Misedra ny tsy eran’ny aina hatrany ireo manana toe-tena varira eto amin’ny firenena, indrindra ireo zaza. Raha tsy misy mifofo ny aina mba hangalàna ny mason’izy ireo dia izao koa misy manolana. Betsaka no efa namoy ny ainy ary betsaka koa ny mitondra takaitra. Mila jerena manokana izy ireny ary hasiana rafitra mazava miaro ireo varira satria dia ho ringana izy ireo raha izao no mitohy. Ny fametrahana sampana mpiahy manokana dia mety ho hevitra tsara satria tandimon-doza tanteraka hatrany ny ain’ireo manana toe-tena varira. Ao izy ireo mba afaka misitraka fiarovana ary miaina ara-dalàna aloha mandra-piverin’ny filaminana mahakasika ny fifofoan’ny olon-dratsy ny ain’izy ireny. Hatreto dia ny feo miely fa ilain’ny mpanao ody gasy ny taova sasany amin’izy ireny no mahatonga ity famonoana etsy sy eroa ity. Efa betsaka ihany no tratra saingy mbola betsaka koa ny olon-dratsy roboka. Mila dinihina tanteraka ny momba ireo manana toe-tena varira satria lasa fijaliana no hianan’izy ireo raha tsy ampiana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici