- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversZaza very sy nitsoaka : 15 ka hatramin’ny 17 taona no ankabeazany,...

Zaza very sy nitsoaka : 15 ka hatramin’ny 17 taona no ankabeazany, arahi-maso ny ny Facebook

Saika manodidina ny 15 ka hatramin’ny 17 taona eo avokoa ny ankabeazan’ireo ankizy very sy mitsoaka ny ray aman-dreniny, raha ny antontanisa avy amin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona, raha ny nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly tetsy Tsaralalàna. Raha ny fitarainana voarain’izy ireo mantsy, tamin’iny taona nivalona iny, dia nahatratra teo amin’ny 941 teo ho eo no isan’ireo ankizy tsy hita na nitsoaka. 794 tamin’ireo no efa tafaverina tamin’ny ray aman-dreniny. Antony iray izay azo heverina fa mahatonga izany, ny mety ho tsy fahaizana mifehy ity teknôlojia vaovaon’ ny fifandraisana ity, indrindra fa ny fisian’ny tambajotra sosialy. Saika ireo adolatsento ireo avokoa mantsy no tena variana amin’ity resaka ity. Tranga vao tsy ela akory ao amin’ny tambajotra sosialy iray ny fisiana ankizivavy roa, nitsoaka ny tranon’ny ray aman-dreniny. Tetika izay toa efa voaomana mialoha, raha ny fomba firesak’izy ireo ao amin’ity tambajotra ity. Eo anatrehan’izay indrindra dia ho hentitra ireto mpitandro filaminana, raha ny voalazan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Hatsangana tsy ho ela ny sampan-draharaha manokana misahana ny resaka “cybercriminalité” hahafahana manara-maso akaiky sy mitily ireo izay zavatra miseho amin’ ireny tambajotra sosialy ireny. Voaresaka manokana moa teto ny “facebook” izay isan’ireo tambajotra mahazo vahana indrindra eto amintsika, ary lasa sehatra iray anjakan’ny fivarotan-ten’ireo ankizy tsy ampy taona, ny fanalam-baraka, ny fanehoana sary mamoafady, sns. Izany rehetra izany no hatao, dia satria mahatsapa tanteraka ireto tomponandraikitra fa tadindonin-doza ny zaza malagasy, raha ny fanazavana hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici