- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZazarano nesorina tetsy Ankadiefajoro : Nidoboka am-ponja ny rasazy sy ny reniny

Zazarano nesorina tetsy Ankadiefajoro : Nidoboka am-ponja ny rasazy sy ny reniny

Zazarano tokony ho enim-bolana teo ho eo no nisy nanary tao an-davapiringa ny herinandro teo tetsy Ankadiefajoro, Ambohimangakely. Nisy nahatsikaritra anefa ny zava-niseho ary nampandrenesina teo no ho eo ihany ny tompon’andraikitra niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Nidina avy hatrany teny an-toerana voalaza ireto farany ary hita tao tokoa ilay tsy manan-tsiny, izay mbola mifatotra amin’ny tadimpoitrany sy ahitra. Nosokafana avy hatrany ny famotorana ary natao izay nikarohana izany reny nahavanon-doza izany. Tsy niandry ela dia fantatra ny tompon’antoka. Tovovavy iray, 24 taona monina eny Andraisoro. Natao avy hatrany ny fisamborana. Niaraka taminy ihany koa ny mpampivelona iray teny an-toerana, izay voalaza fa isan’ny nanampy azy tamin’ny fanalàna izany zaza izany. Ankoatra ireto mpandray anjara nivantana ireto dia nosamborina ihany koa ny lehilahy iray, sakaizan’ilay tovovavy noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ity tranga fanalàn-jaza ity. Efa samy natolotra ny Fampanoavana moa izy ireo ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika daholo.

Tsara marihana tokoa fa mbola sokajiana ho heloka bevava ny fanalàn-jaza eto amintsika araka ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha-317, na inona antony na inona antony. Araka izany ny olona voaheloka ho amin’izany dia mety hisazy iray ka hatramin’ny dimy taona ary mandoa lamandy 360.000 Ariary ka hatramin’ny 10.800.000 Ariary. Torak’izany ihany koa ireo olona mety manampy azy amin’izany fanalàn-jaza, na mpitsabo na mpampivelona, na farmasianina dia hiharan’izay sazy izay, ary mety hitombo amin’ny fampitsaharana azy amin’ny asany mihitsy araka ny voalazan’io andinin-dalàna io hatrany. Ny tsy fitenanana sy ny tsy fampandrenesana tranga toa izany any amin’ny mpitandro filaminana ihany koa dia azo sokajiana ho firaisana tsikombakomba, araka ny lalàna velona eto amintsika hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici