- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversZazavavy nisy naka an-keriny : Lasa verivery saina

Zazavavy nisy naka an-keriny : Lasa verivery saina

Nanao fanambarana ny profesora Henri Rasamoelina mahakasika fakana an-keriny zazavavy, izay nihanahazo vahana teto amintsika tao anatin’ny fotoana fohy izay. Tafaresaka tamin’ny raiamandren’io zazavavy moa ny tenany. Arakan y filazan’ny profesora dia niasa taty an-drenivotra io olona io, tao Analamahitsy raha ny marimarina kokoa. Nisy nahita nanary teny amin’ny arabe io ankizy io. Nisy olona nahafantra anefa izy ka nitondra azy tany amin’ny raiamandreniny izay mipetraka any ambanivohitr’i Fianarantsoa ao amin’ny Fokontany Vohitraivo, kaominina Vohibato Andrefana distrikakan’i Vohibato.  Ny zavatra voatsikaritra dia verivery saina io zazavavy io, sahala amin’reny ankizy nisy naka an-keriny ireny ny nahazo azy. Nanoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny manampahefana ny raiamandreniny nohon’ny zavatra nanjo ny zanak’izy ireo ka tsy hamela ny toe-draharaha hipetrapetraka amin’izao fotsiny.

Nangonin’i R.D

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici