- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversZotra FCE : Miverina mandeha ny lamasinina mitatitra mpandeha

Zotra FCE : Miverina mandeha ny lamasinina mitatitra mpandeha

Anisan’ny rehareha sy havokavoky ny fampandrosoana tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany ny lalam-by FCE (Fianarantsoa à la Cote Est) mirefy 170 km, mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa tamin’ny fotoan’androny, ary ny seranan-tsambo ao Manakara izay potika tanteraka ankehitriny noho ny gaboraraka nisy vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Ankehitriny, na dia efa antitra sy konka aza ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa, toa ny lohamasinina maty lava noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana ara-potoana, ny lalamby maro harefesina sy tapaka ary mivilana, dia miverina mandeha ara-dalana indray ny fiaran-dalamby mitondra mpandeha sy entana, ka manomboka afa-pahasahiranana ireo vahoaka manamora ny lalam-by, satria mba afaka mivoaka amin’izay ny vokatra. Inefatra isan-kerinandro ny fiaran-dalamby no miasa. Ny asabotsy sy ny talata no miainga ao Fianarantsoa ny lamasinina mankany Manakara, ary ny alahady sy ny alarobia kosa no miala ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa.  25 000 Ariary ny saran-dalana ho an’ny “1 ère Classe”, ary 16 000 Ariary kosa ny “2 ème Classe”. Ny ankamaroan’ny mpandeha moa dia misafidy an’ity saran-dalana farany, ka mifanitsa-kitro ao daholo miaraka amin’ny entakeliny avy ireo mpandeha.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici