- Publicité -
vendredi, novembre 20, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 10364

Soavina Betafo : Mpitondra bisikileta voafaokan’ny kamiao, maty tsy tra-drano

0

Nitrangana lozam-pifamoivizana tao amin’ny kaominina Soavina Betafo, lehilahy iray no maty tsy tradrano voafaokan’ny kamiao.

Fiara vaventy iray no iray lalana tamin’ity rangahy nitondra bisikileta ity tamin’ny zoma faran’ny herinandro lasa teo . Tao amin’ny fokontany Sahandray Antanety kaominina Soavina, distrikan’ny Betafo no nisehoan’ny loza. Tsy nampoizin’ilay nitondra bisikileta ny loza, avy any ariana rahateo no nifaoka azy ilay fiara vaventy, maty teo no eo ilay rangahy, voalaza fa tapaka ny tanany havanana ary vaky ny lohany, tsy nisy noraisina  intsony kosa ny bisikiletany.

Araka ny loharanom-baovao, nitsoaka nandositra ilay kamiao ary nariany tao Ankazomiriotra ilay fiara nentiny avy teo. Ny marainan’iny vao tonga tany Ankazomiriotra ny tompon’ny fiara ary nijery ilay niharam-boina. Araky ny feo re hatrany dia efa nisy ny fifanarahana teo amin’ny tompon’ny fiara sy ny niharam-boina, ilay mpamily kosa efa nosamborina.  Hiakatra fitsarana amin’ny zoma izao ny raharaha, raha ny fantatra hatrany ka amin’io no tena hahafantarana ny valin-tenin’ny fianakavian’ny niharam-boina.

Andry N.

Trafikana basy : Nidoboka eny Antanimora ireo zandary roalahy

1

Raha tokony ho ny alatsinainy lasa teo no natolotra ny Fampanoavana ireo zandary roalahy, niaraka tamin’ireo olona maromaro hafa voarohirohy tamina resaka aferana basy , tetsy Namontana, dia omaly izany vao tanteraka. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, dia nalefa avy hatrany eny Antanimora ny olona fito, ireo zandary sy ireo olona dimy hafa, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsiahivina fa ny sabotsy lasa ireto olona ireo no voasambotry ny pôlisy miady amin’asan-jiolahy mahery vaika tetsy Namontana. Tamin’ny alàlan’ny tetika maty paika, no nanjonoana ireto mpivarotra basy tsy ara-dalàna ireto. Tamin’io fotoana io mantsy, dia milaza ny olona iray, fa manana basy amidy ary tamin’izany no nahatrarana ny telolahy, ireo mpitandro filaminana ireto tao anatiny. Tao anatin’ny fanadihadiana kosa no nahampaingorana ireo olona sasany hafa, teny amin’iny faritra Anosimpatrana iny. Olona valo no noraisim-potsiny tamin’izany; izay mbola nahitana vodina basy kalach sy poleta ary bala an-jatony tao an-tranony. Marihina, fa toa mbola misy hifandraisany amin’ilay raharaha fahatrarana orinasa kely tsy ara-dalàna fanamboarana basy tao Anosimpatrana, tapa-bolana mahery kely teo izay. Nilaza ho havan’ilay rangahy tompon’io orinasa io mantsy ireo olona nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika ireto.

m.L

Blanchiment d’argent : Madagascar en phase d’évaluation

0

Madagascar est encore un pays membre observateur au sein des groupes EGMONT et ESAAMLG qui se chargent de lutter contre le blanchiment d’argent au niveau international. La Grande Ile fera ainsi l’objet d’évaluation périodique par un comité constitué des autres pays membres désignés au cours de la réunion du « Task Force of Senior Officials ». Il s’agit d’une évaluation par pair. « L’objectif est d’évaluer l’engagement du pays à se conformer aux normes de GAFI et à appliquer les bonnes pratiques en matière de lutte contre le blanchiment des capitaux et de lutte contre le financement du terrorisme. Ce qui nous permettra également d’adhérer à ces groupes internationaux », a expliqué le directeur général de SAMIFIN, Razaraniaina Jean-Claude, lors d’une conférence de presse hier. Pour ce faire, une équipe du COMESA est dans nos murs afin d’appuyer Madagascar dans le cadre de la préparation technique de l’accueil des comités d’évaluation issus de l’EGMONT et de l’ESAAMLG. « Une évaluation de la Banque mondiale est également en vue », a-t-il conclu.

Navalona R.

Toamasina-Kidnapping : Fantatra ny laharan’ny bala nampiasain’ireo jiolahy

0

Mitohy hatrany ny fahazoam-baovao mikasika ny raharaha fakana an-keriny an’i Lao Jean Claude tao Toamasina, izay efa nafahan’ny brigady misahana ny heloka be vava avy eto Antananarivo, BC, ny fiandohan’ny volana aogositra lasa teo; izay  olona 05 miandry fitsarana am-ponja.

Raha ny angom-baovao natao, dia nivoaka ihany ny tsiambaratelon’ilay bala nampiasain’ireo “jiolahy” nandritra ny fihazonana an-keriny an’i Lao Jean Claude, sy nandritra ny fotoana nifampitifiran’ny polisin’ny BC Antananarivo sy ireo “jiolahy”. Mitondra ny laharana 309/74 sy 13/94 izy ireo, izay voamariky ny vaovao nangonina fa tena bala fampiasan’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny asany an-davanandro ankehitriny ilay faharoa, raha bala nampiasaina fahiny teo anivon’ny fiarovana ny lapam-panjakana ilay voalohany. Fantatra niaraka tamin’izay ihany koa ny laharan’ilay basy kalaky 02 tratra, izay tokony hanamora ny fikarohana ny toby nivoahany, raha tena hikaroka ny marina ny fitsarana sy ny fanjakana ary ny mpitandro ny filaminana.

Karohina i Verniste. Ny 05 tamin’ireo 28 nosamborina sy nohadihadiana  no nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika ny 29 aogositra, raha mbola karohina ny 03 izay efa namoahana fikarohana manokana i Verniste. Ireo miandry fitsarana am-ponja anefa dia mandà mafy ny fifandraisan’ny havany amin’ity raharaha fakana an-keriny ity ireo fianakaviany. I Olivier araka ny angom-baovao dia andeha hividy fanafody ho an-janany narary no voasambotra tao Mangarano II, ny 12 aogositra tamin’ny 07ora sy sasany alina. I Lanto kosa avy tao amin’ny zokiny tao Mangarano II hody ihany koa no voasambotra io 12 aogositra io. I “Doda” sy ny rahalahiny 02 kosa na mpinamana fahiny tamin’i Lao noho ilay orinasa niarahana tany aloha efa nikatona ny taona 2007; izay nosamborina ny 25 aogositra tao an-tranon-drafozany, dia nambaran’ny fianakaviany fa tsy hahavita haka an-keriny izany mihitsy.

Mbola tantara tsy hifarana ity raharaha ity, satria araka ny angom-baovao natao ihany dia misy ifandraisany sy ifamatorany avokoa ireo fakana an-keriny nisy tao ho ao izay. Ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

Moramanga : Olona roa maty novonoin’ny jiolahy

0

Roa no maty ary telo no maratra tamin’ireo  fokonolona nifandona tamin’ny dahalo enin-dahy mirongo fiadiana mahery vaika, nanafika ny kaominina Antaniditra, ny alin’ny 07 septambra 2015 tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany ka hatramin’ny fito ora sy sasany teo ho eo. Trano efatra no may nodoran’ireo tsy mataho-tody isaky ny avy robainy ary izay zava-tsarobidy hatrany no nalainy. Nafàna ny fifandonan’ireo olon-dratsy sy ny fokonolona ka naharatran’ireo fokonolona iray ireo mpanafika ary nahafahan’ireo zandary tonga any an-toerana nanao ny fanarahan-dia azy ireo noho ny rà izay hita niraraka nanaraka ny lalana nandosirany. 60 kilaometatra eo ho eo ity kaominina lasibatry ny asan-dahalo ity raha miala eto Moramanga renivohitry ny distrika misy azy. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny vondrontobim-paritry ny zandary eto Moramanga, fa nandray ny andraikiny avy hatrany raha vantany vao nahazo antso tamin’ny fiaraha-miasany amin’ireo fokonolona. Mitaintaina lava ny mponina eny an-toerana noho ny tsy fandriampahalemana misy any ; izay efa saika matetika no misy izao trangan’ny asa ratsy izao eo amin’ny kaominina manodidina toy ny any Mandialaza sy Beparasy, noho ny fisian’ireo vokatra sy harena maro misy ao an-toerana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ireo zandary miasa eny hoy ny solombavambahoaka ny Dokotera Rajaobelina Lova Herizo, no sady manao antso avo hatrany ny tenany amin’ny fitondrana foibe ny hametrahana « poste avancé » sy ny hampitomboana ny isan’ireo zandary efa miasa any an-toerana hahafahana mampiaina am-pahatoniana an’ireo vahoaka. Matetika no iharan’ny asan-dahalo iny toerana iny ; izay olona tsy monina eny an-toerana avokoa ny ankamaroany.

CATHY

Mahavoky – Hain-trano : 42 tafo lasa lavenona, ankizivavy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra mafy

0

INCENDIE-MAHAVOKY-(11)Hain-trano mahatsiravina indray no nitranga tetsy Mahavoky, Andravoahangy Atsinana, omaly vao maraim-be. Trano 42 isa teo indray levon’ny afo. Ankizivavy valo taona kosa no namoy ny ainy tamin’izany ary fianakaviana efa-mianaka naratra mafy. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy fahefany alina tany ho any no niatomboka ny lela afo voalohany, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, ary tsy voafehy tanteraka izany raha tsy tamin’ny telo ora maraina. « Tao anatin’ny torimaso tanteraka izahay no velona ny antsoantso. Efa niredareda izay tsy izy ny afo, nandevona ilay trano hazo teo akaikinay », hoy ny fitantaran’Atoa Jean de Dieu, isan’ireo niharan-doza tamin’ity voina ity. Avy amina afon-dabozia, tsy voafehy tamina tokantrano vita amin’ny hazo iray teo amoron-dalana no niavian’ny loza. « Mbola nirehitra io labozia io, kanefa izy dimy mianaka resin-tory, hany ka nananika ny fandriana ary izao niitatra be izao », hoy ny fanazavana nomen’Atoa Randrianady Liva, Sefo fokontany ao Andravoahangy Atsinanana. Tao anatin’izany, niezaka namonjy ireo sombin’ny ainy ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ilay niandohan’ny afo. Ny telo tamin’izy ireo ihany anefa no avotra, ny iray kosa tavela tao ary izao namoy ny ainy izao. « Naratra mafy vokatr’izay famonjeny ny zanany izay izy » hoy ny fianakaviany. « May tanteraka ny tarehiny sy ny ilan’ny vatany iray manontolo. Iretsy ankizy kosa, nahitana fahamaizana madinidinika ihany ». Nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana moa ity ramatoa ity sy ny zanany. Ny folakandron’ny omaly kosa no hita ny nofo mangatsiakan’ilay zazavavy may kilan’ny afo tao, tototry ny lavenona sy hazo sisa tsy may.

Fianakaviana 244 eo no tsy manan-kialofana, hoy ny fanazavana nomen’ny Sefo fokontany hatrany. Araka ny fantatra teny an-toerana hatrany, dia trano vita amin’ny hazo  37 ary trano biriky 4 ireto levon’ny afo ireto. Tafakatra amina tapitrisany maro ny fahavoazana, satria tsy misy azo noraisaina intsony ireo entana rehetra tamin’ireo trano ireo. Tokony ho voafehy aloha ihany ny fiitaran’ny afo, hoy hatrany ireo mponina, saingy nampanano sarotra izany noho ny toetr’andro, ny tsy fisian’ny rano. Tetsy andanin’izany ihany koa, hoy izy ireo, somary taraiky kely ny fahatongavan’ny mpamonjy voina. Efa tonga nijery ny voina nahazo ireto traboina eny Mahavoky ireto ny sasantsany amin’ireo tompon’andraikim-panjakana isanisany.

m.L

PM Jean Ravelonarivo : Présent au « 19e Zaikaben’ny Tanora FLM »

0
Le Premier ministre Jean Ravelonarivo présent au « 19e Zaikaben’ny Tanora FLM ».
Le Premier ministre Jean Ravelonarivo présent au « 19e Zaikaben’ny Tanora FLM ».
Le Premier ministre Jean Ravelonarivo présent au « 19e Zaikaben’ny Tanora FLM ».

Le Premier ministre Jean Ravelonarivo a rallié, hier, Farafangana, pour assister à l’ouverture du « 19e Zaikaben’ny Tanora FLM ». Il était accompagné, à cette occasion, par le ministre de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme ainsi que le ministre de l’Elevage. Ce fut une occasion pour le Premier ministre de faire un don de 10 millions d’ariary au comité d’organisation FLM. Il a également offert 10 millions d’ariary à l’Ekar Farafangana, et ce, à l’occasion du passage de la relique de Sainte Thérèse. Le Premier ministre a rappelé, lors de son allocution que « nous comptons actuellement 22 millions de Malgaches et 64% d’entre nous sont des jeunes. Loin d’être un fardeau, la jeunesse représente tout un espoir et un nouveau souffle pour notre pays car c’est à travers les nouvelles générations que le développement puise son ancrage réel ». Par ailleurs, le chef du gouvernement a rassuré la population locale que les travaux de réfection de la route nationale reliant Farafangana-Manakara ont été et seront clôturés d’ici la fin du mois de novembre 2015.

Recueillis par Dominique R.

OMD pour l’alphabétisation : Objectifs non encore atteints pour Madagascar

1
Il y a encore du chemin à faire quant à l’alphabétisation à Madagascar.
Il y a encore du chemin à faire quant à l’alphabétisation à Madagascar.
Il y a encore du chemin à faire quant à l’alphabétisation à Madagascar.

Malgré un taux d’analphabétisme encore élevé, l’Etat malgache reste optimiste.  

Les Objectifs du Millénaire pour le Développement (OMD) fixés au début de l’année 2000 visaient à faire baisser jusqu’à 27% le taux d’analphabétisme à Madagascar. Malheureusement, ces objectifs n’ont pas été atteints, « à cause de la crise sociopolitique qui a sévi le pays durant ces cinq dernières années ». Quand bien même, beaucoup d’efforts ont été entrepris depuis ces trois dernières années. Ce qui a permis à Madagascar de remporter avec quatre autres pays, le Prix International d’Alphabétisation 2015, décerné par l’Unesco. Quoi qu’il en soit, en bénéficiant de l’appui de ses partenaires, en particulier l’Unesco, le ministère de l’Education Nationale (MEN) vise à réduire jusqu’à 50% le taux d’analphabétisme des adultes à Madagascar. Mais il y a encore du chemin à faire. Toutefois, l’Etat reste optimiste, grâce à la mise en œuvre des divers projets d’envergure comme l’Education Pour Tous (EPT). Surtout que celui-ci se fixe comme nouvel horizon l’année 2030 en termes d’alphabétisation. La célébration officielle de la JIA 2015 s’est tenue à Mahitsy, hier. Le président de la République ainsi que le ministre de tutelle ont assisté à l’événement. Le thème de la célébration porte sur: « Alphabétisation et société durable ».

Arnaud R.

Jean Max Rakotomamonjy : « Je n’ai vu ni signé le mémorandum »

1
Jean Max Rakotomamonjy s’en tient à la décision de la HCC qui propose un Pacte de responsabilité entre les deux institutions.
Jean Max Rakotomamonjy s’en tient à la décision de la HCC qui propose un Pacte de responsabilité entre les deux institutions.
Jean Max Rakotomamonjy s’en tient à la décision de la HCC qui propose un Pacte de responsabilité entre les deux institutions.

De retour au pays après avoir participé à la Conférence des présidents de Parlement aux Etats-Unis, le président de l’Assemblée nationale s’est prononcé pour la première fois sur le sujet.

Coup de tonnerre hier du côté de l’Assemblée nationale. En effet, de retour au pays après avoir participé à la quatrième Conférence mondiale des présidents de Parlement qui s’est tenue à New York, le président de cette Institution, Jean Max Rakotomamonjy s’est prononcé pour la première fois à propos du Mémorandum pour la stabilité. Interviewé par nos confrères de « Tv Plus », il a décliné toute responsabilité sur cette affaire. « Je n’ai vu ni signé le Mémorandum pour la stabilité », a-t-il précisé. Une manière de démentir les informations selon lesquelles c’est lui qui était à l’origine de ce Pacte de non-agression entre le président de la République et les députés. Contrairement à ce qui a toujours été véhiculé, le député d’Andapa a fait savoir qu’il n’a pas encore rencontré Hery Rajaonarimampianina pour discuter de cette affaire. En tout cas, cette révélation de Jean Max Rakotomamonjy aura certainement des répercussions sur le projet de mise en œuvre de cet accord entre la Présidence et l’Assemblée nationale. Il est fort probable que le mémorandum n’ait pas obtenu le soutien de la majorité des députés. Et ce, contrairement aux informations véhiculées par les pro-HVM.

Nouvelle donne. Quoi qu’il en soit, le numéro Un de la Chambre basse a déclaré hier que « ce Pacte ne devrait faire l’objet d’aucune exclusion. « Le projet doit bénéficier de l’adhésion de tous les acteurs politiques et non pas d’une minorité », a-t-il soutenu. Et lui de réitérer au passage que l’accord en question concerne deux institutions. En quelque sorte, Jean Max Rakotomamonjy s’en tient à la décision de la Haute Cour Constitutionnelle qui propose un Pacte de responsabilité entre la Présidence et l’Assemblée nationale. Nul n’ignore pourtant que les tenants du régime ont opté pour une approche individuelle, en tentant de convaincre chaque député à soutenir les programmes présidentiels. Après cette révélation de l’élu d’Andapa, bon nombre d’observateurs se demandent si la relation entre Jean Max Rakotomamonjy et le président Hery Rajaonarimampianina est réellement au beau fixe. Hier, le numéro Un d’Iavoloha a encore déclaré qu’il rencontrera incessamment le président de l’Assemblée nationale en vue de la mise en œuvre du Mémorandum pour la stabilité. Il serait également intéressant de voir la réaction des partisans du HVM par rapport à cette nouvelle donne.

Davis R

Hippisme : Une première journée riche de promesses à Bevalala !

0

Le retour des courses de l’AHCEL à Bevalala a permis de voir la belle vitalité de l’élevage des chevaux à Madagascar.

L’optimisme s’installe en effet en voyant à l’œuvre les poulains et pouliches de 2 ans et demi. De très beaux chevaux à l’image de Nabab qui s’est offert la quatrième course sous la selle de Patrick Rakotoarivelo ou encore de Nouvelle Star qui a brûlé la politesse à Noblesse de Carmen lors d’une seconde course très appréciée des connaisseurs dont de nombreux « Vazaha » venus en éclaireur et qui ont été tout simplement séduits par l’ambiance de Bevalala.

C’est certain qu’à cette allure, les courses de l’AHCEL vont encore gagner en qualité et donc en notoriété pour faire honneur à la profession.

Sur ce chapitre Kamar’All Star a rempli son contrat en ravissant le Grand Prix d’ouverture avec l’aide de Patrick Rakotoarivelo décidément intenable sur les pistes remises au goût du jour de Bevalala.

Le frère de ce dernier, Eric Ravelonjanahary s’est aussi illustré avec Lemizo lors de la toute première course tandis que Rivoson Andriamparany également en grande forme a conduit Lolita Star à la victoire de la 3e course.

La deuxième journée du 13 septembre prochain promet encore d’être chaude tant les chevaux sont au top de leur forme. Et c’est tant mieux pour le spectacle.

Clément RABARY