- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
Accueil Blog Page 23

Kaominina Fanandrana Toamasina faharoa : Mpifoka sy mpivarotra rongony tratra ambodiomby

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Tsy mety mifarana mihintsy ity resaka rongony ao Toamasina faharoa ity, na efa manao ny ezaka rehetra ny zandary amin’ny fisavana ireo fambolena sy mikasika ity resaka rongony ity. Araka ny vaovao vpoaray avy amin’ny zandary indray dia tovolahy iray sady mpifoka no mpivarotra rongony iray tratran’izy ireo. Nisy ny fitanana azy tao amin’ny Poste fixe tao Fanandrana, ka raha nosavaina ny tany aminy dia rongony mifono nahatratra folo kapoaka ny hita. Ny 28 jona tamin’ny 05ora maraina moa no nahatrarana azy ity, ary mbola tao anatin’ny fahamamoana tamin’ny rongony fohany ny tenany. Marihina fa avy ao Ambalateza kaominina ambanivohitry Sahaviavy any Ifito, monina ao amin’ny fokontany Ambodiara, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II ity lehilahy vosambotra ity, ary efa natao andrimaso ao amin’ny poste fixe de la gendarmerie nationale Fanandrana io lehilahy io. Misokatra ny fanadihadiana momba azy mba hamantarana ny mpifandray tendro aminy sy famarotana ireto rongony ireto; ny Poste fixe ao Fanandrana no misahana ny famotorana ireny rehetra izany. Raha vita izany dia ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina no mihazona ny raharaha, ka ho hita eo ny tohiny ny raharaha.

Malala Didier

Fikambanana « Zara Fitiavana » : Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo sahirana teto Toamasina…

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Hafa kely no nentin’ireto mivondrona ao anatin’ny fiombonana « Zara Fitiavana » fa nisy ny fanoloran’izy ireo sakafo ho an’ireo Malagasy sahirana mpatory an-dalam-be ho fankalazana ny andron’ny 26 jona. Firahan’ireo olona tsara sitra-po izy ireo nanao izao hetsika izao. Hetsika natao tao amin’ny EPP Maurice Guiyot Bazar be ary nahavory ireo sahirana mpatory an-dalam-be teto Toamasina. Sakafo mafana maraina toy ny vary amin’ny anana – sosisy – henabolina – mofo sy dite na kafe no nozairana. Niisa 643 ireo notolorana izany teto Toamasina ho fankalazana ny fetim-pirenena io, ary mankalaza ny faha-05 taona nisiany izy ireo ao anatin’izao hetsika fizarana sakafo ho an’ny sahirana izany; ary hitohy izany mandram-pisihan’ny fahafahana marina ho an’ny Malagasy. Tsy nanavahana loko politika ny fizarana natao fa izay tonga rehetra dia nomena avokoa satria Malagasy. Ny loha-hevitra nentina tamin’izao hetsika izao, araka ny nambaran’ny ramatoa mpikambana iray ao anatiny moa, dia ny hoe “Fitiavana sy Finiavana te-hizana” ho an’ny mpiara-belona no natao.

Malala Didier

Fernand Cello : Didim-pitsaràna anio

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Anio no hivoaka ny didim-pitsaràna izay nanenjehan’ny tale jeneralin’ny sekoly manofana ho mpandraharahan’ny fonja ao Antentezambaro an’i Fernand Avimanana dit Fernand Cello. Raharaha iray amin’ireo fitoriana telo samihafa hanenjehana ity mpanao gazety ao amin’ny Basy Vava sy mpisintona lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy io hivoaka anio io ny didy. « Manana tsirim-panantenana betsaka aho fa ho afaka ny olona arovako satria nandritry ny raharaham-pitsaràna dia hita fa tsy mitombina ny fanenjehana azy (fanalam-baràka, fanohintohinana ny filaminana anatiny). Ny mpitory rahateo dia tsy nipoitra hatrany tao anatin’ny antanan-tohatra rehetran’ny raharaham-pitsaràna » raha araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy, Me Santanavalona Rajaonarison. Raha tsiahivina dia efa dimy volana katroka izay no notànana vonjimaika tao Antanimora i Fernand Cello rehefa nosamborina tamin-kery tetsy Anosizato raha mba nitsidika ny vady aman-janany. Mitovy hatrany ny fanenjehana azy dia ny heloka amin’ny aterineto sy ny fanohintohinana anatiny. Rehefa tena mandeha anefa ny fitsaràna toa tsy hita akory izay tena vesatra mifandraika amin’izany ary na ny mpitory aza dia tsy nisy hita fa ny mpisolovava no alefa misolotena eo.

D.R

Entana hosoka miparitaka : Nidina an-tsehatra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa

2
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Tena miparitaka etsy sy eroa tokoa ny entana hosoka. « Efa nahatratra izahay,  na menaka izany na koa lafarina ary efa nanao tatitra izany tany amin’ny manampahefana saingy ny tsikaritra dia votsotra hatrany ireo mpanao ratsy ary tsy mety tratra mihitsy ny tena atidoha mikotroka ireo fanaovana hosoka ireo » raha araka ny fanazavan’i Eugène Ratsimbazafy, mpiaro  ny zon’ny mpanjifa. Manoloana ny zava-misy dia miantso ny mpanjifa mba ity mpitarika sy mpiaro ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity mba hividy sy hanjifa ny entana vita malagasy ihany. « Tsy misy afa-tsy izany no azo antoka ankehitriny ary aoka mba ho mailo manoloana  ireo entana hosoka izay miparitaka. Etsy ankilan’izany, ny entana vita malagasy ihany koa no tokony jifain’ny malagasy mba tsy hamonoana ny mpandraharaha malagasy», hoy hatrany i Eugène Ratsimbazafy izay nanamafy fa « raha ny menaka manokana, efa nisy ny fidinana ifotony sy fanamarinana natao tany amin’ny orinasa malagasy mpamokatra izany ary voamarina fa tompmbana sy manara-penitra ireo menaka ». Any amin’ny mpanao hosoka noho izany no mila manao ezaka ny ministera sy ny mpitondra mba hahatratrana azy ireny sy hiadiana amin’ny tsy fiparitahany eny amin’ny toeram-pivarotana rehetra eny. Nisy ny fanentanana nataon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa teny Analakely sy ny tsena manodidina omaly mba hanajan’ny mpivarotra ny fahadiovana sy hialàna amin’ny fanao ratsy izay mety hiteraka fahapoizinana ara –tsakafo. Tafiditra tao anatin’ny fanentanana ny tokony hisian’ny vitrine sy ny rano hanasana tsara ny tanana sy ny lovia izay ampiasaina.

D.R

Ivato : Deux présumés trafiquants arrêtés avec des sifaka dans une valise

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Une tentative de trafic illégal de faune sauvage a été déjouée à l’aéroport international d’Ivato, le dimanche 29 juin dernier. Deux individus, un homme d’origine comorienne naturalisé malgache et une Malgache, ont été arrêtés alors qu’ils tentaient d’exporter clandestinement quatre lémuriens de l’espèce sifaka (Propithecus coquereli) vers Dubaï. Les suspects s’apprêtaient à embarquer à bord du vol Emirates EK 708 à destination des Émirats Arabes Unis, lorsqu’ils ont été interceptés par les autorités aéroportuaires. Une fouille minutieuse de leurs bagages a permis de découvrir les quatre lémuriens dissimulés à l’intérieur d’une valise, dans des conditions alarmantes. Selon les premiers éléments de l’enquête, les deux trafiquants présumés auraient capturé ces animaux dans une aire protégée du Nord-Ouest de Madagascar. Parmi les spécimens saisis, deux seraient issus d’une même lignée, selon des observations préliminaires. Les animaux, en état de stress avancé mais vivants, ont été immédiatement confiés à un centre de détention agréé pour y recevoir les soins nécessaires. Des vétérinaires spécialisés procèdent actuellement à leur surveillance, en vue de leur réintroduction dans leur habitat naturel dès que leur état de santé le permettra. Ce nouveau cas de trafic illustre, une fois de plus, la menace persistante qui pèse sur les espèces endémiques de Madagascar. Le Sifaka de Coquerel est une espèce protégée et classée en danger par l’Union internationale pour la conservation de la nature (UICN). Sa capture, sa détention et son transport sans autorisation constituent une infraction grave à la législation malgache sur la protection de la biodiversité. Les deux suspects sont actuellement en garde à vue et devraient être traduits devant la justice dans les prochains jours. Une enquête a été ouverte pour déterminer l’origine exacte des animaux, les éventuels complices impliqués, et les ramifications internationales de ce réseau de trafic. Les autorités malgaches ont rappelé leur engagement à lutter fermement contre le trafic d’espèces sauvages, en collaboration avec les partenaires internationaux. Elles appellent également la population à la vigilance et à la dénonciation de toute activité suspecte en lien avec la faune protégée. 

Yv Sam

Mandoto : Dahalo raindahiny maty voatifitra

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Ny herinandro teo, nitombo iray indray ireo olon-dratsy nahazo tapakila ho any amin’ny varo-tsy mifody. Tany amin’iny distrikan’i Mandoto iny, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, fokontany Soavinarivo, dahalo iray fantatra amin’ny anarana hoe Hoby no voatiftra nandritry  ny fifandonana, raha avy nanafika tanana iray ka nifanehatra tamin’ireo zandary sy ny fokonolona. Noho ny ratra nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy.

Ny zava-nisy : ny alin’ny 26 jona lasa teo dia nitranga fanafihan-dahalo tamin’ny tananan’Andranofito, tao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io. Raha ny voalaza dia omby miisa folo lasan’ireo olon-dratsy tao an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary nanao ny fanarahan-dia, nampian’ireo fokonolona tao an-toerana. Tsy niandry maraina akory fa tamin’io alina io ihany dia efa nifankatratra ny roa tonta : ireo dahalo niaraka tamin’ny omby sy ireo mpanara-dia. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, fifamaliana tifitra teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tampoka teo anefa, nanao tari-dositra nitsoaka avokoa ireo olon-dratsy, ary namela ireo omby teo. Hay nisy iray tamin-dry zalahy ireto, raha ny vaovao hatrany no voan’ny bala teo amin’ny tratrany. Mbola niambozona basy « kalach » ingahy ity, tamin’ny fotoana nahitàna azy, nitsirara tao anaty rà mandriaka, saingy mbola nisy aina. Nentin’ireo fokonolona nihazo ny tanana ingahy tamin’izay fotoana izay, saingy teny an-dalana, noho ny ratra nahazo azy sy ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Nogiazana moa ny basy mahery vaika teny am-pelan-tanany ary natolotra ny fianakaviany ny razana. Tetsy andanin’izay kosa, tafaverina tamin’ireo tompony avokoa ireo omby nalain’ireo dahalo. Mbola mitohy kosa ny hazalambo, hikarohana ireo tafatsoaka hoy ny fampitam-baovao.

m.L

Fenoarivobe : Les auteurs du meurtre d’un gendarme abattus

0
Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Les quatre individus directement impliqués dans le meurtre du gendarme stagiaire de deuxième classe, Rolland Jean Baptiste Ramenjarison, élément du poste avancé d’Ambalarano, dans le district de Fenoarivobe, ont été tués par balle dans la nuit du 26 juin. Ce drame est survenu lors des célébrations de la fête nationale. Le gendarme Ramenjarison a été mortellement blessé à la tête par un coup de hache. Malgré le fait qu’il ait été transporté à l’hôpital, il a succombé à ses blessures en cours de route. Les recherches, facilitées par l’aide précieuse de la population, ont mené à un premier suspect. Alors qu’il était conduit au bureau de la gendarmerie, des complices ont tenté de le libérer en attaquant les gendarmes. Le suspect a alors révélé que son propre frère était l’auteur du coup de hache. En guidant les forces de l’ordre, le suspect a tenté de s’échapper et a été abattu. Le frère et un autre complice ont également été localisés et tués par balle après avoir tenté de fuir à la vue des gendarmes. Le quatrième et dernier complice a subi le même sort en tentant de s’échapper. L’enquête se poursuit pour interroger d’autres personnes qui auraient pu les cacher

T.M.

Jean Claude Andrianaivo : La gratitude d’un pilier du journalisme sportif

0

Figure emblématique du journalisme sportif malgache, Jean Claude Andrianaivo a exprimé une vive reconnaissance à l’occasion de la Journée internationale du sport, célébrée dimanche dernier au Stade Barea. Organisée par le ministère de la Jeunesse et des Sports, cette cérémonie a rendu hommage aux journalistes sportifs, saluant particulièrement la carrière de ce doyen, dont l’engagement indéfectible dans la valorisation du sport à travers les médias s’étend sur plus de soixante ans. « C’est la première fois, en plus de 50 ans de carrière, qu’un hommage aussi officiel est rendu aux journalistes sportifs », a-t-il confié avec émotion. À 82 ans, celui que l’on considère comme une mémoire vivante de la presse sportive nationale continue de faire preuve d’une énergie admirable, poursuivant activement ses travaux de recherche et d’écriture. Auteur de l’ouvrage de référence Ho Mpanazatra, publié il y a 40 ans, Jean Claude Andrianaivo a profité de cet hommage pour annoncer la sortie prochaine de deux nouveaux livres. Le premier, fruit de près de 50 années de recherche, abordera les aspects techniques et stratégiques du football malgache, avec une perspective tirée de ses expériences entre l’Europe et l’Amérique du Sud. Ce livre ambitionne d’apporter des solutions concrètes pour relever le niveau du ballon rond à Madagascar. Le second, quant à lui, reviendra sur sa passion de toujours : le journalisme, à travers une analyse approfondie. 

Manjato Razafy

Arts martiaux – Séminaire : Lova Randrianasolo et Morgane Dehaye enflamment les combattants malgaches 

0

Le dojo Rama d’Antohamadinika a vibré hier lors des intenses démonstrations de deux figures internationales des arts martiaux. Le séminaire gratuit consacré au Mixed Martial Arts (MMA) et au Jiu-jitsu brésilien a réuni une foule de passionnés, venus apprendre aux côtés de deux icônes du combat contemporain : Lova Randrianasolo, champion du monde de Kempo Submission, vice-champion du monde en JJB et membre de l’équipe de France de MMA, et Morgane Dehaye, combattante professionnelle invaincue (5 victoires et 0 défaite), multi-championne du monde en kenpo et coach émérite au sein de la Bushido Académie en France. Dans une atmosphère mêlant rigueur, respect et soif d’apprendre, les combattants malgaches, débutants comme confirmés, ont bénéficié de conseils techniques pointus, de démonstrations percutantes et d’un partage d’expérience aussi généreux que passionné. Véritable communion autour des fondamentaux de deux disciplines en constante évolution. Après Antanimena en 2023 et Andavamamba en 2024, ce troisième opus marque une étape supplémentaire dans la volonté de Lova Randrianasolo de transmettre son savoir au pays natal. À ses côtés, la présence de Morgane Dehaye, dont le palmarès force l’admiration, a donné à l’événement une dimension internationale saluée par l’ensemble des participants. 

Manjato Razafy

CJSOI – Football – Volley-ball : Madagascar connaît ses adversaires

0

À un mois du coup d’envoi des Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien (CJSOI), prévus du 1er au 10 août 2025 aux Seychelles, le tirage au sort des sports collectifs a eu lieu ce lundi 30 juin 2025. 

Madagascar, représenté dans les disciplines du football et du Volley-ball, connaît désormais ses adversaires. En Volley-ball, les équipes malgaches sont prêtes à en découdre. Les garçons évolueront dans un format de ligue, tandis que les filles seront en phase de poules. L’équipe féminine de Madagascar, placée dans la poule A, affrontera Mayotte et Maurice. « Douze joueuses de moins de 18 ans débutent le regroupement dès aujourd’hui au Gymnase Couvert d’Ankorondrano. Nous avons le potentiel pour battre ces deux équipes, mais une préparation rigoureuse est essentielle », confie Hasimbola Famonjena Raoelison, directeur technique national (DTN) de la Fédération malgache de Volley-ball. L’objectif est clair : optimiser la cohésion et la stratégie pour briller dans cette compétition régionale.

Football

En football masculin, les jeunes Malgaches ont été versés dans le groupe B, où ils croiseront Mayotte et les Seychelles, pays hôte. Ce tirage offre à l’équipe une belle opportunité de se distinguer, mais la concurrence s’annonce rude, notamment face à une équipe seychelloise soutenue par son public.

Avec ces tirages, Madagascar entre dans la dernière ligne droite de sa préparation pour les Jeux de la CJSOI 2025. Les regards sont désormais tournés vers les entraînements intensifs et la détermination des jeunes athlètes pour porter haut les couleurs de la Grande île.

Heriniaina Samson