- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
Accueil Blog Page 10821

Ambohidratrimo : Trano telo norobain’ny jiolahy

0

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, nisehoana fandrobana intelo nisesy teny Anosiala Ambohidratrimo. Andian-jiolahy nirongo basy no nanafika trano telo be izao. Nitovy hatrany ny fomba nidiran’izy ireo ny trano. Tao amin’ny voalaohany, nopitsohany ny varavarana ary teo izy no niditra. Tsy sahy nihetsika, na dia nahare ny fahatongavany aza, ny tao an-trano. Rehefa azony izay nilainy dia lasa nifindra toerana tsy dia lavitra loatra teo ry zalahy. Dia nitovy tao amin’ilay voaloahany ihany. Rehefa azony ny vola dia nikisaka tany amin’ny tanàna iray hafa indray izy ireo. Teo am-pisokirana ny varavarana ry zalahy no nisy nahita. Avy hatrany dia nanapoaka basy ireo nahita ireo. Raha vao nahare izany ireo jiolahy dia tsy nisy nijanona fa lasa nandositra avy hatrany. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

CES : Les requêtes pour annulation rejetées

0

La CES a rendu son arrêt relatif aux demandes d’annulation des voix obtenues sur le plan national par les deux candidats à l’élection présidentielle du 20 décembre 2013. « Les requêtes formulées par le candidat Jean Louis Robinson rendant à l’annulation des voix obtenues par le candidat Hery Rajaonarimampianina sur l’ensemble du territoire national sont rejetées. De même, les requêtes formulées par le candidat Hery Rajaonarimampianina tendant à l’annulation des voix obtenues par le candidat Jean Louis Robinson sur l’ensemble du territoire national sont également rejetées ».

Recueillis par Dominique R.

Ninie Donia : Noroahina tetsy Antsahavola indray

0

Niverina fanintelony teny amin’ny Consulat frantsay etsy Antsahavola indray i Ninie Donia omaly. Ny tompon’andraikitra voalohany tao an-toerana mihitsy no nivoaka ary nanazava taminy fa tokony hivoaka izy satria amin’ny lalàna dia efa toy ny manitsaka ny tany frantsay raha manitsaka ny biraon’ny consulat etsy Antsahavola, ary efa azo enjehina amin’ny lalàna mifanandrify amin’izany ihany koa raha sendra misy ny fandikàn-dalàna mitranga. Niaraka tamin’ny zandary frantsay roa ilay tompon’andraikitra tamin’ny fitenenana an’izany. Niala moramora teo an-toerana ilay artista malagasy izay tokony hamonjy fodiana any frantsa maika noho ny aretina mahazo an-janany. Inona ny tena marina momba ity tranga ity? I Ninie Donia dia nanazava fa efa monina sy mipetraka any izy ary ara-dalàna ny taratasy ahafahany mijanona any. Ny fampitam-baovaon’ny consulat indry anefa dia manipika fa voamarina tanteraka ny tsy fanomezana “visa” azy noho izy tsy ara-dalàna eo amin’ny fipetrahany any frantsa.

D.R

Toliara : Vazaha 64 taona nanolana zaza tsy ampy taona

0

Teratany frantsay iray 64 taona no voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona, ny asabotsy 4 janoary lasa teo, tany Tsadamba, 35 km avaratry ny kaominina Manombo Atsimo, distrikan’i Toliara II. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha rehefa vita ny fakana am-bavany tsy maintsy nataon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.

Vokatry ny fanolanana dia simba tanteraka i Hortense, ankizivavy vao 14 taona, naolana vazaha 64 taona tao an-tranony ny misandratr’andron’ny 4 janoary lasa teo, tao Tsadamba, raha ny tatitra azo tamin’ny fizahana nataon’ny mpitasabo. Tsy nanana mpanampy an-trano ity vazaha ity satria nandeha ny vadiny, ka niangavy an’i Solo rain’i Hortense izy mba hanampy azy ny zanany, ny volana desambra. Tamin’io andro asabotsy io anefa dia nirahin’ilay vazaha hanamboatra fefina vovon-drano, 150 m miala ny tranony i Solo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nahare an-janany niantso vonjy i Solo ka nadodona ny varavarana, nefa tsy nisy nanokatra.
« Avy nanolana an-janako mbola niboridana izy vao nosokafany ny varavarana no sady avo vava àry nilaza fa mitoria raha sahy fa izaho manana olona ambony mpiaro fa teratany frantsay », hoy ny fitantaran’i Solo, rain’i Hortense tamin’ny mpanao gazety. Saika hitsoaka tany Mangily ity vazaha voarohirohy ity, nefa nosakanan’ny fokonolona tonga marobe nizaha ny zava-nisy, hoy kosa ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny tanànan’i Manombo Atsimo. Ho hita eo ny tohin’ny tantara fa ny ao amin’ny fitsarana vao omaly no nanomboka niasa !

Manitrisa

Miandrivazo : Manomboka miakatra ny kijeja

0

Mananintanina indray ny fiavian’ny andiam-balala ho an’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny, mipaika amin’ny faritra Menabe. Amin’izao fotoanan’ny rotsak’orana izao mantsy no tena mahafoy ireo atodim-balala miampy ny andro migaigaina. Manomboka foy ireo atodim-balala raha ny vaovao voaray  ka mitaintaina ny mponina. Efa maro be mantsy ny vokatra nolalovan’ireo kijeja eny antampon-tanety, izay efa tena maro tokoa amin’izao fotoana, ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka.  Ho an’ny fokontany Ankiranomena, distrikan’i Dabolava, ohatra, raha ny voalazan’ny mponina,  dia efa misy mihitsy ireo ary elatra ankehitriny. Fotoanan’ny maitso ahitra izao ka ataon’ireo andiam-balala ripaka avokoa izay lalovany. Hisy fiantraikany betsaka amin’ny famokarana sy ny vokatra ity andiam-balala ity ary ahiana ny mety hisian’ny mosary raha toa ka tsy misy ny fepetra raisina haingana amin’izao firongatry ny kijeja izao.

Andry N.

Charbon de bois : Pénurie et hausse des prix durant la saison pluvieuse

0
Le charbon de bois et le bois de chauffe restent les combustibles domestiques les plus utilisés à Madagascar.
Le charbon de bois et le bois de chauffe restent les combustibles domestiques les plus utilisés à Madagascar.
Le charbon de bois et le bois de chauffe restent les combustibles domestiques les plus utilisés à Madagascar.

Le charbon de bois reste le combustible domestique le plus utilisé par les ménages malgaches : jusqu’à 80% l’utilisent régulièrement pour la cuisson des repas et pour chauffer de l’eau.

Le prix du sac de charbon de bois est déjà prohibitif pour les ménages moyens, variant entre Ar 12 000 et Ar 18 000 selon la taille et la contenance du sac. Mais avec les intempéries des dernières semaines, le prix de ce produit risque encore de flamber, préviennent les détaillants. En effet, les producteurs de charbon ralentissent leurs activités durant les périodes de grandes pluies, les intempéries n’étant pas de bons alliés pour exercer cette activité. Le marché perçoit, de ce fait, quelques épisodes de pénurie, causant l’augmentation du prix durant la saison pluvieuse. Le phénomène n’a pas encore été nettement observé et les hausses ne sont que ponctuelles, ces dernières semaines. Cependant, les détaillants anticipent déjà et s’attendent à une prochaine hausse si le mauvais temps venait à se prolonger. « Nos fournisseurs commencent déjà à avoir quelques difficultés pour la combustion des matières premières depuis quelques semaines en raison des fortes pluies tombées sur la zone de production qui ont, par ailleurs, des impacts sur les routes qu’empruntent les camions pour transporter les marchandises. Mais les choses s’arrangeront si les intempéries ne durent pas. Dans le cas contraire, c’est certain que les prix s’envoleront à nouveau », déclare Philibert Ramanantenina, marchand de charbon de bois dans l’Avaradrano.

Au détail. Le moindre changement de prix, généralement la hausse, et très rarement le contraire, est aussitôt ressenti par les consommateurs. En effet, celui-ci se répercute inévitablement sur ces derniers. Le grand sac à Ar 18 000 étant inaccessible pour la majorité des consommateurs, nombreux sont les ménages, contraints d’acheter leur consommation au jour le jour. Une quantité de charbon équivalente à 1 000 ariary suffit tout juste pour la cuisson des repas de la journée pour une famille de quatre personnes. Largement au-delà si l’on y inclut le chauffage de l’eau et le repassage au fer à charbon que beaucoup de ménages malgaches utilisent encore, notamment dans les zones rurales. L’achat d’un grand sac reste ainsi inaccessible à la majorité, alors que l’achat au détail revient encore plus cher. Les ménages n’ont d’autres choix que de gérer au quotidien leur consommation, en utilisant les foyers économes. Nettement plus cher à l’achat, mais largement profitable, à terme.

Hanitra R.

Agriculture et sécurité alimentaire : L’Union Européenne et la FAO poursuivent les financements

0
Les aides apportées par la FAO et l’UE se concentrent sur l’économie rurale.
Les aides apportées par la FAO et l’UE se concentrent sur l’économie rurale.
Les aides apportées par la FAO et l’UE se concentrent sur l’économie rurale.

Des projets mis en œuvre par la FAO à Madagascar sont actuellement financés à hauteur de 25 millions USD, par l’Union européenne. Ces projets concernent surtout le rétablissement de l’agriculture et de la sécurité alimentaire des ménages malgaches. « L’Union européenne est fidèle et généreuse dans la promotion du développement rural et l’amélioration des conditions de vie des populations vulnérables. L’UE et la FAO s’attaquent aux racines de la pauvreté, en collaborant sur le terrain dans les pays en développement », ont noté les responsables de la communication au sein de la FAO. Certes, avec la nécessité de relance économique dans la Grande Ile, ce genre d’appui n’est pas à refuser pour les paysans, surtout en ce qui concerne la recherche pour le progrès technique, l’acquisition de meilleurs intrants comme les semences, les équipements, les outillages, etc., ou la lutte contre l’invasion acridienne.

Antsa R.

RN7 : Kamiao nitatitra vatosoa nogiazana

0

Milanja 60 taonina ireo vatosoa izay raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana dia tsy ara-dalàna ny taratasy mahasika azy ireo. Avy any Ambatofinandrahana ary saika hotaterina aty an-drenivohitra no sarona teo amin’ny lalam-pirenena fahafito ny kamiao nitondra azy. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany dia ministra teo aloha sy mpikamban’ny Cst iray no voarohirohy ho tompon’antoka amin’ireto vato sarobidy ireto. Efa nisy fanadihadiana momba azy ireo tamin’ny alakamisy teo, fotoana izay nahatratrarana ireo entana. Mbola mitohy izany ny fakàna am-bavany raha araka ny vaovao hatrany. Hazo sarobidy, vato sarobidy, volamena, tsy misy tsy voakitiky ny fanondranana izay mety ho sarobidy eto amintsika. Ary hatramin’ny olona aza dia efa fanondrana ihany koa. Endrika mivantana isehoan’izany ireny fandefasana vehivavy hiasa any amin’ny firenena arabo ireny. Efa firifiry no namoy ny ainy sy niharan’ny herisetra, saingy tsy nanakana ny firenena tsy handefa olona any izany. Momba ny trafika indray dia toa lasa miharihary andro aman’alina izany. Any ambanivohitry ny faritra atsinanana aza dia efa atao amoron’ny arabe ireo hazo sarobidy dia eo no raisin’ny kamiao. Tsy toa ny teo aloha intsony, mba any anaty nosy kely miafinafina no misy azy ireo sy handraisan’ny sambo mpitatitra izany. Raha oharina amin’ny zava-misy dia tsy misy miafina intsony ny rehetra ankehitriny fa izay  manana fahefana kely dia manampatra an’izany ho any amin’ny asaratsy izay miompana amin’ny fanondranana harem-pirenena indrindra indrindra.

D.R

Asan-jiolahy : Fanafihana teny Isotry, Andavamamba ary Soanierana

0

Toerana telo samihafa no nandalovan’ny jiolahy mitam-piadiana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tetsy Isotry ny voalohany. Efa tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy saingy mba hitan’ny manodidina izay nampandre ny pôlisy avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana izay nanapoaka basy. Izany no nampihemotra ireo olon-dratsy ka nahatonga azy ireo hitsoaka. Finday iray ihany no lasan’izy ireo nandritra ity fanafihana ity. Mitovitovy amin’izany ihany koa ilay fanafihana hafa tetsy Andavamamba. Vetivety dia nisy nahatsikaritra ny figadonan’ireo olon-dratsy ary nampandre ny pôlisy ao amin’ny SAG ny olona. Rifatra nitsoaka ihany koa ny mpanafika ary tsy nisy tontosa ny fanafihana. Farany indray dia teny Soanierana, mbola iny alina iny hatrany, notongavan’ny olona maromaro mitam-basy ny tokantrano iray. Io indray dia ny manodidina no avy hatrany dia nandray andraikitra na nitangorona ary nampiseho fahavononana hanohitra ireo olon-dratsy. Nitsoaka ireto farany vokatr’izany, tonga teny an-toerana rahateo ny mpitandro ny filaminana tao anatin’izay fotoana izay. Fanafihana telo no nitranga saingy fanafihana tsy nisy tontosa noho ny hamailon’ny olona ary koa noho ny firaisan-kinan’ny mpiara-monina, toa izay nitranga tetsy Soanierana. Amin’ny lafiny iray dia azo heverina ihany fa matahotra ny olon-dratsy rehefa mihetsika ny olona. Na izany aza anefa atody tsy miady amam-bato ary tsy afaka ny hanao zavatra betsaka ny olon-tsotra manoloana ny olona mitam-basy. Eo no ilaina ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana faran’izay haingana mba hialàna amin’ny herisetra mety hitranga.

D.R