- Publicité -
jeudi, novembre 12, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 11354

Moramanga : Ramatoa voagejan’ny fanafody ratsy, hita natory teo akaikina kisoa

0

Ramatoa tokony ho 58 taona no tratran’ny tovolahy mpiambina  tanànan’olona niaraka tamin’ny kifafa  tamin’ny 01ora sy sasany maraina ny 26 aogositra 2014. Somary rendremana ity tovolahy ity no sady tsy nahetsika na dia miantso aza tsy afaka . Izany no nanararaotan’ilay ramatoa nisafoana ny tongony ary nibatany azy hiala teo amin’ny toerany. Taitra noho izany anefa ity tovolahy ity rehefa nahatsapa hatsiaka ka naheno an’ireo kisoa nandrasany ho nikiakiaka ary dia hitany eo ilay vehivavy. Efa matetika ity mpiambina ity no mahatsikaritra zavatra hafahafa rehefa alina ny andro, indrindra manodidina ny amin’io ora voalaza io. Rehefa natao ny fanadihadiana an’ity ramatoa ity dia nihaiky izy fa misy fotoana no tsy mahatsiaro tena izy raha tsy efa maraina ny andro.

Nitantara ny nahazoany an’io ody ratsy io ilay vehivavy. Sendra narary ny lohaliny ka noheverina ho nataon’olona dia namonjy an’ireny mpitsabo gasy ireny izy efa ho fito taona izao. Taorian’izany no nanjary lasa zavatra hafa no nampanaovin’ilay olona neritreretina hitsabo. Tsy nisy nahafantatra an’io ny zanany, fa rehefa maraina ny andro dia toy ny tsy salama mandrakariva izy. Amin’ny alina kosa dia toa miha mahazo hery. Nampahafantatra ihany koa ity ramatoa ity fa samy manana ny faritry ny fasana andihizana ry zareo isaky ny mandeha.Te ho afaka mafy amin’ny fatorana mahazo azy ity voagejan’ny fanafody ratsy ity fa tsaroany ho efa manalabaraka azy izany.

CATHY

Famonoana nomanina : Ramatoa bevohoka maty voatsindrona antsy

0

Ramatoa bevohoka iray no maty voatsatoka antsy teo amin’ny vavafony, maratra mafy kosa ny vadiny voa teo amin’ny lamosiny ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao. Ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa famonoana niniana natao ity niseho teny amin’ny Vahilava Avaratetezana Mamory Ambodimita ity.

Tamin’ny asabotsy 23 aogositra 2014 teo, tokony ho tamin’ny 7ora hariva teny amin’ny toerana voalaza etsy ambony, nisy olona telo mianaka, mpivady miaraka tamin’ny zanany kely iray nandeha môtô hamonjy fodiana. Araka ny loharanom-baovao hatrany, nosakanana lehilahy telo izy ireo ka natosiny avy eny ambony môtô. Nianjera tamin’ny tany. Rehefa izany, tsy nisy ny resaka fa tsindrona antsy no nahazo ireo mpandeha môtô. Tamin’ny voalohany dia hoe hangalatra ilay môtô sy ny vola tany amin’ireto olona ireto izy telo lahy. Afaka niantso vonjeo anefa ireo voatafika. Tsy ela, tonga teo amin’ilay toerana ny manodidina nitondra fanampiana azy telo mianaka. Raikitra ny fanenjehana ireo bandy, hoy hatrany ny vaovao voaray. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’izy ireo, fantatra amin’ny anarana hoe A. M. A. na i Fy. Tezitra mafy tokoa ny mponina ka saika hanao fitsaram-bahoaka. Soa fa vetivety dia tonga ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-6 sy ny avy ao amin’ny UIR ka voasakana ilay fitsaram-bahoaka. Teo no ho eo ihany dia nentina nofotorana teny amin’ ny B.C Anosy izy rehefa avy eo ka tamin’ ny fanadihadiana natao azy dia niaiky izy ireo fa haka ny môtô sy ny vola no tena anton-dian’ izy telo ary nisy koa ny “réglement de compte”. Ireo namany roa kosa tafatsoaka izany Riri sy Karana na Arbitre izany no fiantsoana azy ireo.

Ny nahamaika ny olona avy eo dia ny nitondra ireo naratra teny amin’ny hopitaly akaiky. Ilay vehivavy voalaza fa maty teny an-dàlana ny alin’ny nitondrana azy ho eny amin’ny hopitaly Loterana. Nitohy tsy nijanona ny fikarohana ireo afaka nandositra, ka fantatra fa ny alatsinainy 25 aogositra no voasambotry polisy avy ao amin’ny BC teny Amboanjobe Iavoloha ilay antsoina hoe Riri. Tamin’ny famotorana azy, hoy hatrany ny vaovao, dia niaiky izy fa efa nomanin’izy ireo ity famonoana olona ity ny alakamisy 21 aogositra antoandro teny am-panaovana baolina. Nanondro izy fa i Karana no atidoha izay fantatra fa anisan’ny fianakavian’ireo voatafika ihany.

Omaly no natolotra ny fitsarana ireo roalahy voasambotra.

Nangonin’I r.s.

Manucure pour toutes les bourses

0

MANUCURE2A Madagascar, avoir de beaux ongles n’est pas difficile. Eh oui, les Malgaches peuvent se payer ce petit luxe d’avoir des ongles vernis quand ils le veulent, et pour toutes les bourses ! Il y a ceux qui proposent ces poses de vernis à 500 Ar, à même la rue, et à n’importe quel moment. On peut trouver ces garçons (parce que curieusement, ce sont pour la plupart des hommes !) à Mahamasina durant les jours de marché, ou encore aux 67Ha. Et puis, il y a les petits bars à ongles, qui proposent les poses de vernis de 2 000 Ar à 5 000 Ar. Là aussi, on parle de pose de vernis, mais dans une gamme beaucoup plus luxueuse. Les jeunes filles qui y travaillent ont au moins suivi des formations en esthétique. Et puis, il y a les centres de beauté qui proposent des services de manucure et de pose de vernis. Là, les prix peuvent s’envoler. Et puis, il y a les esthéticiennes à domicile qui se déplacent avec tout leur attirail pour une manucure sur mesure chez soi !!!

Ambohitrolomahitsy : Lehilahy iray maty nihantona tamin’ny tady

0

Ny alahady 24 aogositra teo, no nahitan’ny mponina lehilahy efa tsy nisy aina intsony, nihantona tamin’ny tady tao an-tranony tany Antanetimboahangy any amin’ny faritr’ Ambohitrolomahitsy. Tamin’ny fijerena ny razana dia nifatotra tamin’ny hazo teo amin’ny tafontrano ilay tady. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina izay zavatra niseho. Maro ireo nihevitra fa namonotena ity olona ity. Ny antony kosa tsy misy mahalala. 22 taona izy izao maty izao. Efa mahafantatra ny fandehan-javatra ny mpitandro filaminana ary misokatra ny fanadihadiana mikasika izao fahafatesana izao.

r.s.

Ampitatafika : Fanafihana mitam-piadiana, vazaha sy raim-pianakaviana maty voatifitra

0
Teto amin’ity trano, ity no nahafatesana olona roa.
Teto amin’ity trano, ity no nahafatesana olona roa.
Teto amin’ity trano, ity no nahafatesana olona roa.

12 lahy ireo jiolahy, nanao amboletra tao amina tokantrano iray tetsy Malaza Ampitatafika, namono nahafaty ny tompon-trano ary nibata izay zakany.

Tamin’ny 11ora sy sasany alina teo no niseho ny fanafihana ny alatsinainy teo. Jiolahy 12 mirongo kalaky, tsy misaron-tava, ary manao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo, raha ny fitantaran’ny tompon-trano. Nodakany ny varavarana, ary avy hatrany dia ny vola no notakiany raha vantany vao tafatsofoka ry zareo. Tsy nisy afa-tsy raim-pianakaviana niaraka tamin’ny vady aman-janany no tao ambany. Nodarohany vodi-basy io lehilahy io, avy eo notifirina in-droa teo amin’ny feny. Nandre izany ireo mpivady tao ambony, avy hatrany dia nidina. Nanana basim-borona ny tompon-trano, izay frantsay sy miaramila misotro ronono. Tsy nanam-potoana namaliana anefa ity farany fa avy hatrany dia ny balan’ireo jiolahy no niantefa teny amin’ny lohany, nanaparitaka ny atidohany. Maty tsy tra-drano io teratany vahiny io. Tany amin’ny hôpitaly kosa vao namoy ny ainy ilay lehilahy voatifitra teo amin’ny feny. Ny lalandrà teo amin’ny feny no voan’ny bala ka tsy nahafahana nitazona ny ainy intsony, noho ny fahabetsahan’ny rà very. « Mbola vola sy rà indray no notakiana taminay aloha. Raha ny tokony ho izy, efa misy vonona mialoha ao » hoy ny solontenan’ny fianakaviana. Ny fotoana nanomana an’ireo no tsy nahatazonana intsony ny ain’ity rain-jaza vao amam-bolana ity.

Naharitra teo amin’ny antsakadiny teo ny fanafihana raha ny fantatra hatrany. Nitsoaka kosa ireo jiolahy rehefa avy nibata sy naka izay zakany : solosaina, finday, fakan-tsary sy fitaovana maromaro, firavaka volamena ary vola vahiny sy malagasy maromaro koa. Nangoniny ary nentiny kosa ireo taim-bala avy nitifirany. Lasa ihany koa ny basin’ilay vazaha, niaraka tamin’ny bala. Adiny iray tao aorian’ny fanafihana, vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana raha ny voalaza hatrany. Efa nadio ela anefa ny rano nitan’ireo mpanafika. Voamarika kosa anefa, tamin’ny fidinanay teny an-toerana, fa tsy lavitra ny tobin’ny zandary ity toerana nisy ny fanafihana ity. Mbola nahitana antsibe, izay voalazan’ireo tompon-trano fa tsy azy tao an-trano ihany koa. Isan’ireo fitaovam-piadiana hadinon’ireo jiolahy tamin’ny fahamehany hitsoaka angamba.

m.L

BNI Madagascar : Le nombre de demandeurs de crédits en hausse

0
La campagne de crédit « Spécial rentrée » est lancée. (Photo : Kelly R.)
La campagne de crédit « Spécial rentrée » est lancée. (Photo : Kelly R.)
La campagne de crédit « Spécial rentrée » est lancée. (Photo : Kelly R.)

« BNI s’engage à vos côtés ». C’est le slogan de la banque BNI Madagascar en lançant une campagne de crédit « Spécial rentrée » depuis le 28 juillet dernier. Il s’agit d’un crédit à la consommation accessible à tous les salariés et fonctionnaires dès l’ouverture de leur compte à la BNI. « Le nombre de demandeurs de ce type de crédit est en hausse comparé à la dernière campagne étant donné que les besoins des ménages augmentent, surtout en cette période de rentrée scolaire », a expliqué Ndriana Ralaimanisa, le directeur de la Communication et du Marketing de la BNI-Madagascar, lors d’une conférence de presse hier au siège à Analakely.

Réduction. Dans le cadre de cette promotion « Spécial rentrée », une réduction de l’ordre de 50% sur les frais de dossiers de demande de crédit à la consommation est accordée jusqu’au 04 octobre 2014. Par contre, les fonctionnaires bénéficient tout au long de l’année d’une réduction de 2 points sur le taux standard des crédits à la consommation. « Pour pouvoir y accéder, il suffit que l’employé ouvre un compte à la BNI-Madagascar et son patron effectue un engagement de domiciliation bancaire de ses salaires », a-t-il rappelé. Il a saisi cette occasion pour rassurer les clients que seule la banque change de propriétaire tandis que ses activités continuent à la normale. La BNI réalise d’ailleurs un résultat financier positif lors de la dernière publication de son rapport financier.

Navalona R.

Festival de musique classique : Place à la 1re édition des symphonies de Nosy-Be

0
Les membres du COAC, organisateur de ce grand festival de musique classique.
Les membres du COAC, organisateur de ce grand festival de musique classique.
Les membres du COAC, organisateur de ce grand festival de musique classique.

L’Ile aux Parfums est réputée pour ses plages paradisiaques et son climat tropical. Un cercle d’amateurs de musique classique a décidé de la faire connaître dorénavant par la qualité de son festival de musique classique. La 1re édition des Symphonies de Nosy-Be va avoir lieu du 23 au 28 septembre avec la participation d’artistes internationaux prestigieux et des meilleurs concertistes malgaches.

Le Comité d’Organisation d’Activités Culturelles ou C.O.AC., présidé par M. Alix Verhaegen, qui s’occupe de ces symphonies de Nosy-Be a pour objectif d’en faire un véritable festival de musique classique de l’Océan Indien. Cette 1re édition se déroulera sur six soirées et un après-midi. Chaque soirée se déroulera sur un site différent. Trois ou quatre artistes différents seront programmés chaque fois. Voici le nom de ces derniers : Elzbieta Dedek, Cezarius Gadzina, Andrzei Grudzien, Camerata de Madagascar, Mirana Randria, Agnès Joignerez, Quatuor d’hommes de Madagascar, Ravaka&Narimanana, Natacha Rajemison, Dominique Rakotonirina, Rindra Ramarosandratana, Mitantsoa Randriamalala, Lova Roelisoa et Fitah Rasendrahasina.

Patrice RABE

CNEMD : Bientôt converti en conservatoire national !

0
Le CNEMD, bientôt converti en Conservatoire national.
Le CNEMD, bientôt converti en Conservatoire national.
Le CNEMD, bientôt converti en Conservatoire national.

Dans un souci de professionnalisation et à l’occasion de son quarantième anniversaire, le Centre National d’Enseignement de la Musique et de la Danse sera converti en Conservatoire national en 2016-2017.

Le CNEMD, désormais, ne sera plus ! En 2016-2017, le Centre National d’Enseignement de la Musique et de la Danse changera en effet de structure et sera baptisé Conservatoire national. Randria Solofonantenaina Mika, Directeur par intérim du CNEMD de mieux expliquer : « Le Centre répondra plus aux exigences et aux demandes. Il ne sera plus simplement un centre où l’on apprend uniquement la musique. Ainsi, un batteur sera capable de parler de danse ou de jouer d’autres instruments, car il aura acquis plus de connaissances et aura un meilleur background dans tout ce qui est culture». Certes, la formation que le centre dispense suit les normes internationales et les professeurs très expérimentés, mais pour un renforcement de capacité et plus de professionnalisme, des professeurs de niveau international viendront à la rescousse.

Quarante ans. Créé en 1973, le CNEMD, rattaché directement au MACP, figure parmi l’un des plus anciens centres d’enseignement de musique et de danse. Pour son quarantième anniversaire, un grand projet : la création d’un centre dans les 22 régions, est en cours. Selon toujours le Directeur par intérim du CNEM « Le Centre est représenté à Analamanga, Boeny et Vakinankaratra et non dans les autres régions. Il nous reste donc 19 autres régions à couvrir ». Toujours dans le cadre de cette célébration, une tournée et une série d’échanges sont également au programme.
Mahetsaka

Vola 500 ariary, mora miendaka ny « plastika » : Atao amin’ny lambahoany ny 10 000 ariary

0

Na eny ambony fiara fitaterana, na eny an-tsena, tsy misy mandray intsony ny vola misy rovitra kely, indrindra ireo natambatra tamin’ny “scotch”.

Mora simba, hono, ny vola malagasy ary amin’izao fotoana izao, ny mpanjifa rehetra dia tsy misy mety mandray vola rovitra intsony, na ny eny an-tsena na ny eny ambony fiara fitaterana. Toa manosika ny rehetra hitandrina izany. Tato ho ato anefa, rehefa nisy vola 500 ariary sy 2 000 ariary nasiana irony plasika dia sahirana indray ny rehetra ary tao aza ireo tany amin’ny faritra maro nihevitra fa sandoka ireny vola ireny. Nisy anefa ny fanazavana nentin’ny tompon’andrikitra naely tamin’ny haino aman-jery nanamafy fa vola tena izy tokoa ireny. Izany no natao dia mba hisorohana ny fahasimbana vetivety. Amin’izao fotoana izao, misy ny mahita fa toa mora miendaka ilay fonony plastika amin’ny 500 ariary. Araka izany, tsy mahatanty ny fikirakirana azy ataon’ny rehetra ilay ravim-bola ka azony endahina mora foana. Volana vitsy lasa koa izay, betsaka ireo niteny ary tsy nety nandray ireny vola ireny sady nilaza fa sandoka ilay izy. Rehefa nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra dia natoky ny mpanjifa. Izoa anefa, nisy ny nilaza fa miendaka mora foana ilay aron’ny vola.

Lambahoany. Ny mandehandeha mahita raha, hoy ny fiteny fantatra. Nahatsikaritra koa ny olona fa misy amin’izao fotoana izao lambahoany namboarina ary sarina vola 10 000 ariary no narafitra nameno izany. Mirindra tsara ilay lamba feno sarina vola. Ho an’ny rehetra dia mahafinaritra tokoa endrik’ilay lamba. Farafaharatsiny, mitafy volabe ny tena raha manana azy. Ho an’ireo izay tsy mahafantatra, azo atao ve zavatra sahala amin’izany? Ny mahavariana, hoy ny olona iray nijery ilay lamba, hay mora araka izany ny manao dika mitovy an’ireo volabe eto amintsika. Tokony tsy ho gaga ny olona raha misy ny manaparitaka vola sandoka etsy sy eroa. Vola izay tsy hay avahana amin’ny tena izy raha atao indray mijery.

Nangonin’i r.s.