- Publicité -
samedi, octobre 24, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 11725

« Big retrouvaill 2014 » à l’After Work Ambohipo : Geda MIB, Nostal, Ludovic et Dj Kalheed à l’affiche

0

Une initiative mêlant sport et culture dont l’objectif est le renforcement de la solidarité des jeunes originaires du Nord (SAVA-DIANA) nous permet de nous retrouver dans une ambiance de fraternité à l’After Work Ambohipo, ce soir.

Une ambiance sportive  d’abord, puisque dans l’après-midi, un match de basket final direct opposant la sélection des jeunes des 67 Ha aux jeunes d’Ambohipo au terrain d’Ankatso II à partir de 14 h sera un avant-goût. Et culturelle dans la mesure où les jeunes artistes du Nord très appréciés par les pimpants d’aujourd’hui feront leurs prestations à l’After Work à partir de 20 h. Geda MIB, Nostal, Ludovic, et d’autres jeunes artistes-surprises seront de la partie. Et pour animer le show, Dj Kalheed à la platine. Hakim Mahavita, non moins initiateur de ce projet avec quelques têtes nous a informé que « cet évènement a pour objectif le renforcement de la solidarité des jeunes des deux régions sœurs (SAVA-DIANA) mais surtout une occasion de réunir les gens originaires de l’ex-province d’Antsiranana dans un même endroit en toute convivialité pour ce début d’année. Ceci n’est qu’un début, puisqu’il y aura d’autres organisations festives plus importantes prochainement. Et bien que ce soit une organisation des jeunes du Nord, tout le monde sera la bienvenue. » L’ambiance sera alors chaude car les jeunes artistes du Nord viendront en grande pompe avec tout un jargon de rythme pour vous animer. Alors retrouvons-nous sur nos lieux de rendez-vous !

BJC

Andro ratsy : Olona roa matin’ny varatra

0

Ny harivan’ny alarobia teo, tamin’ny fotoana nisian’ny oram-baratra iny, fantatra fa olona roa no namoy ny ainy teny amin’ny kaominina Masindray. Nirefodrefotra tsy nisy ohatran’izany ny varatra. Avy eny an-tsaha izy ireo hamonjy fodiana, vavy sy lahy. Voalaza fa maty tsy tra-drano izy ireo. May tanteraka ny vatany. Teny amin’ny faritry Tanjombato koa dia nisy varatra nirefotra nandratra olona kosa tamin’izay. Lehilahy roa, 51 taona sy 30 taona no voa tamin’izay. Na dia voa mafy aza izy ireo dia fantatra fa avotra soa aman-tsara ny ainy. Nisy olona roa hafa niaraka taminy fa tsy dia naninona loatra.

r.s.

Belo Tsiribihina : Rangahy 60 taona nanolana ny zafikeliny 9 taona

0

Nitrangana fanolanana mamoehitra indray tany Belo Tsiribihina tamin’ny herinandro ity. Loza, fa ny raibeny izay efa mananika ny 60 taona no nahavita nanolana ny zafiny izay vao 9 taona monja. Somokotra sy variana amin’ny asa man-draharaha ny rehetra tao amin’ny fianakaviana, ka nitsiry ny hevi-dratsin’ny dadabe ary nanamparany ny filan-dratsiny ilay tsy manan-tsiny. Ilay ankizivavikely nitaraina ho narary ny hariva nojeren-dreniny no nahavaky am-batolampy ny asa ratsiny, satria notantarain’ilay zaza ny nihatra taminy. Mbola noporofoin’ny mpitsabo ihany koa izany tamin’ny fizahana tsy maintsy atao fa voaolana ilay zaza.

Niakatr’afo ny olona. Vetivety ihany dia niely teo an-tanàna ny resaka noho ny habibiana tsy roa aman-tany vitan’ity raim-pianakavina lehibe iray ity. Tezitra ny olona, ka saika hanao fitsaram-bahoaka an’ilay mpanolan-jafy, saingy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nisambotra ity tsy mataho-tody. Raha tsy izany, asa izay nitranga teo sy nihatra aminy, satria ny olona efa niakatrafo be ihany, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tazonin’ny mpitandro filaminana izy amin’izao.

Manitrisa

Anosy : Remise de distinction au MAE

0

La cérémonie de remise de distinction honorifique au Consultant auprès de l’Organisation Internationale de la Francophonie, le Professeur Rajaona Andrianaivo Ravelona et au Représentant résident du Bureau de la JICA, Sasadate Koichi s’est tenue hier au Ministère des Affaires Etrangères à Anosy. Une cérémonie qui a coïncidé avec la célébration de la Journée de la Francophonie. Le premier a été élevé au grade de Chevalier de l’ordre national tandis que le second, arrivant au terme de sa mission à Madagascar, a été fait Officier de l’ordre national malgache. Une double cérémonie qui a vu la présence entre autres, du ministre des Affaires Etrangères, Ulrich Andriatiana, du ministre de l’Agriculture, Roland Ravatomanga, de la présidente de la CENI-T, Atallah Béatrice, de l’ancien VPM, Hajo Andrianainarivelo, ainsi que de quelques représentants du Corps diplomatique et consulaire résidant dans la Grande île. Tous ceux qui ont pris la parole, à savoir le ministre des Affaires Etrangères, le ministre de l’Agriculture et la présidente de la CENI-T ont souligné les efforts considérables que les deux personnalités ont fournis pendant la période de crise. Des efforts rentrant dans le cadre notamment du développement de secteur agricole et du processus d’instauration de l’Etat de droit. Faut-il rappeler que la JICA a financé la mise en place du Centre de formation en matière d’agriculture et d’agronomie d’Antsirabe. Pour sa part, en tant qu’expert juridique auprès de la Francophonie, Rajaona Andrianaivo Ravelona est un des piliers du processus de sortie de crise.

Davis R

Toliara : Resaka hetra, nikatona avokoa fivarotana karana omaly

0

Omaly, nanaitra ny zavanisy tany Toliara, nikatona avokoa tsy nisy nisokatra na dia iray aza ireo magazay sy toeram-pivarotana karana hatramin’ny trano fandraisam-bahiny. Vetivety dia niely ny tsaho eran’ny tanàna ary niroaroa saina ny mpanjifa sy ireo mpividy entana. Nisy andian’olona ihany koa moa nivorivory teo Bazaribe ka nanampy trotraka ny radio voatavo nampikorontan-tsaina ny vahoaka.

Niely ny tsaho. Nisy mihitsy ny nilaza fa misy OPK (Opération Karana) hono ka samy nifitsaka ireo teratany « Indo-pakistanais » ireto. Tamin’ny angom-baovao anefa no nahalalana fa resaka hetra no nampikaton-trano an’ireto karana ireto. Amin’izao tokoa mantsy dia misy ny fitakian-ketra ataon’ny fanjakana  ka ankevitry niray hina ireto mpivarotra sy mpandraharaha ireto ka nanakatom-baravarana. Etsy andaniny ireo mpanjifa hividy entana tsy nahalala nimenomenona niveri-maina.

Nanoloana ny resabe inian’ny sasany naely ao an-tampon-tanànan’i Toliara dia nanatona ny tomponandraikitra ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra izahay. Nilaza ity tomponandraikitra ity fa fomba mahazatra hatramin’izay ny fitakian-ketra fa zareo angamba te-hampiseho hery amin’ny vahoaka dia nanidy trano. « Tsy eto Toliara ihany no misy hetsika hetra toy izao fa manerana ny Nosy, ka tsy tokony hanaovana fahirano ny vahoaka ». Somary nanaitra ny mpandeha sy mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena fahafito efa ho roa andro izay, dia misy fisavana ny entana entin’ireo fiara manodidina an’ity resaka hetra ity ihany.

Manitrisa

Fenoarivobe : Jiolahy avy nandroba mpitondra moto maty voatifitra

0

Jiolahy roa no fantatra fa maty voatifitry ny zandary ary iray voasambotra tamin’ny talata tany amin’ny faritry Fenoarivobe. Fantatra fa avy nanendaka olona nitondra volabe 2 tapitrisa ariary nandeha moto ireo jiolahy ireo. Raikitra ny fifampitifirana tamin’ny zandary rehefa narahana izay nalehany. Tamin’izany no naha lavo ny roa.

Io andro io, hamonjy tsena any Mahitsy ilay lehilahy. Efa fantatr’ireo jiolahy izany zavatra izany ka nandrasany tamin’ny toerana ratsy lalana sy teriteny ary malama vokatry ny orana. Avy hatrany dia voaambana basy ilay lehilahy. Tsy afaka nihetsika mihitsy ary dia nalain’ireo olon-dratsy mora foana ny vola. Raha azon-dry zalahy izany dia lasa nandeha izy ireo. Voalaza fa basim-borona roa no teny amin’ireo bandy efatra ireo.

Soa fa tsy nampiasa hery ireto jiolahy fa navelany teo ily lahilahy sy ny môtôny. Tsy niandry ela ilay voaendaka fa nandeha haingana nampandre ny zandary. Teo no ho eo ihany dia natao ny fikarohana azy ireo. Raha vao nifankatratra anefa ny roa tonta dia voalazan’ny vaovao fa nampiasa basy avy hatrany ireo jiolahy. Tsy nijanona tamin’izao ny mpitandro filaminana fa mba namaly koa. Vokany, roa maty, iray voasambotra ary tafatsoaka ny fahefatra. Tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara ilay vola. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mba hahafahana misambotra ilay iray tafatsoaka.

ALEM

Analakely : Lehilahy nanolana zana-bady, nosamborin’ny polisy

0
Ny olona renoky ny torimaso, izy kosa manao jaiko matory manolana ny zana-badiny.
Ny olona renoky ny torimaso, izy kosa manao jaiko matory manolana ny zana-badiny.
Ny olona renoky ny torimaso, izy kosa manao jaiko matory manolana ny zana-badiny.

Noferany tsy hiteniteny ilay zaza. Vaky ihany anefa ny nafenina taty aoriana. Raim-pianakaviana iray mipetraka eny Soavina Atsimondrano no nosamborin’ny Polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy ny alarobia lasa teo teny amin’ny toeram-piasany teny Analakely tamin’ny folo ora maraina. Araka ny fantatra dia voalaza izy io fa nanolana ny zana-badiny. Toa efa fotoana elaela ihany no nanaovany izany. Niseho ihany anefa ny nafenina taty aoriana. Tonga nitory ny vadiny ny renim-pianakaviana iray noho ny fanolanana nataon’ilay lehilahy. Nanamarina ny zavanisy ny polisy ary nalefa teny amin’ny Hopitaly ilay zazavavy vao 11 taona monja ka hita fa simba tanteraka noho ny firaisana ara-nofo natao taminy. Araka ny fitantaran’ilay zaza, isaky ny maraina amin’ny efatra ora raha mbola renoky ny torimaso ny iray trano dia alainy ilay zazavavy ary anamparany ny filan-dratsiny. Araka ny voalazan’ilay zaza hatrany, miverina aminy matetika izao filan-dratsy ataon’ny raikeliny aminy izao ary ferany tsy hiteniteny na amin’iza na amin’iza. Taty aoriana, ny reniny tao amin’ny trano fidiovana rehefa niara-nisasa taminy no nahatsikaritra ny fiovan’ny toebatany ka nanambitamby azy hilaza ny zava-nitranga taminy. Tamin’izany no nilazany ny zavatra nanjo azy. Teo ity renim-pianakaviana vao nilaza tamin’ny manampahefana anivon’ny polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona. Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity ary natolotra ny fitsarana omaly maraina.

Roland Ravatomanga : Retour imminent de Marc Ravalomanana

0

En marge de la cérémonie de remise de distinction honorifique au Ministère des Affaires Etrangères, le Chef de délégation de la mouvance Ravalomanana, Roland Ravatomanga a déclaré qu’ « il est vrai que l’ancien président, Marc Ravalomanana a déjà annoncé que son retour ne devrait pas constituer un blocage à la mise en place de l’Etat de droit, mais pour nous, son retour est une chose acquise et doit être réalisé immédiatement puisque c’est prévu dans la Feuille de route qui demeure une loi ». Selon ses dires, la mouvance Ravalo est persuadée que le retour de l’exilé d’Afrique du Sud est imminent. « Dada » sera donc de retour incessamment. « Actuellement, nous œuvrons dans le sens de la concrétisation de ce projet », a soutenu le ministre de l’Agriculture. Et lui de laisser entendre que la décision revient uniquement à Marc Ravalomanana, à la SADC et à l’Union Africaine qui ont dirigé le processus de médiation à Madagascar. En quelque sorte, Roland Ravatomanga confirme que le régime actuel n’est plus contre le retour au pays du numéro Un de l’Empire Tiko.

Autorisation. Questionné sur le projet de certains leaders du MAPAR qui œuvrent et manœuvrent pour écarter la mouvance Ravalomanana de la Plate-forme pour la Majorité Présidentielle, Roland Ravatomanga de déclarer que « c’est juste une rumeur ». « Nous rencontrons quotidiennement les ministres issus du MAPAR, mais les discussions sont en bonne voie et personne n’évoque ce cas de figure. La mouvance Ravalomanana n’envisage pas de s’écarter du gouvernement actuel, ni du prochain gouvernement que l’on mettra en place prochainement », a-t-il soutenu. Et de réitérer au passage que cette entité politique est disposée à discuter avec toutes les formations politiques. Pour ce qui est de la nomination du Premier ministre, le ministre de l’Agriculture a déclaré que la mouvance ne s’opposera pas quelque soit la décision du président. Il a cependant avancé que le Premier ministre devrait disposer des compétences nécessaires pour la relance économique et capable d’appliquer la politique générale de l’Etat développé par le président de la République. A propos de la rencontre aux Etats-Unis entre des anciens ministres de Marc Ravalomanana avec le président de la République, Hery Rajaonarimampianina, Roland Ravatomanaga de déclarer qu’en tant que citoyens, ils n’ont pas besoin de demander l’autorisation de l’ancien président, ni du Chef de délégation de sa mouvance pour rencontrer le président.

Davis R

Befandriana-avratra : Jiolahy nandroba nirongo basy vita gasy

0

Ny alin’ny 18martsa teo no nampandre ny tomponandraikitra tao an-tanàna ny lehilahy iray, fa misy manafika ny tokan-trano iray ao akaikiny.Vetivety dia tonga teny an-toerana nanao ny famonjena ny zandary tany an-toerana ka niaraka tamin’ny fokonolona mba hanao ny fisamborana ireto jiolahy.

Tsy nahavita na inona na inona ireto mpanafika teo anatrehan’izany ka nitifittra ilay lehilahy tao an-trano izay manodidina ny dimy amby telopolo taona, nitsirara avy hatrany ity lehilahy tao an-trano ary tsy nahabata na fanjaitra iray  ireto olon-dratsy raha vao nahita ny fiavin’ny zandary.

Raha ny endriky ny fitifirana dia karazana ankasomparana ihany noho ny fahatezerana ny tsy nahazoana na inona na inona nandritra ny fanafihana.

Rifatra nitsoaka ry zalahy fa ny fokonolona kosa tetsy andanin’izany nitondra ilay naratra nankany amin’ny CSBII akaiky teo an-tanàna, tsy dia nisy natahorana ny ain’ity voatifitra fa ireo jiolahy kosa tsy hita nanjavonana t aorian’ny fanenjehana izay natao azy.

ALEM