- Publicité -
mercredi, novembre 11, 2026
- Publicité -
Accueil Blog Page 11382

Fiadanana : Vehivavy 40 taona hita faty, niboridana ny tapany ambany

0

Nahitana fatim-behivavy iray, manodidina ny 40 taona teo ho eo, teny Fiadanana omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Tsy nahitana ratra goavana na vono teny amin’ny vatatenan’ity ramatoa ity, saingy eo amin’ny orony fotsiny no nisy naratra kely, raha ny tatitra azo. Ankevitry ny tsy dia salama saina loatra izy io raha ny vaovao hatrany ary mety ho mamo dia nianjera ka izay no nitarika ny fahafatesany. Voamarika tamin’izany ihany koa anefa fa efa tsy misy fitafiana intsony ny tapany tamin’ity vatana mangatsiaka ity, kanefa, raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy nisy trangana fanolanana aloha nahazo ity ramatoa ity. Tamin’ny fotoana nanaovanan’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana no nahafantarana fa tsy mponina eny an-toerana ity ramatoa ity ary tsy misy mahafantatra azy ireo mponina eny an-toerana. Efa naterina eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana amin’izao fotoana izao. Efa am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny famotorana.

m.L

Behoririka : Mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery fito voasambotra

0

Namokatra ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana teny amin’ireo faritra mahamay, malaza amin’ity sinto-mahery ity, ka anisan’izany ny teny Behoririka sy ny manodidina iny. Nisy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ry zalahy ireto, raha ny vaovao voaray. Nahatratra fito, araka izany, ny isan’ny saron’ny mpitandro, talata lasa teo, ary tovolahy iray, efa ikoizana amin’ny fangalaràna finday, voasambotra omaly. Mody mitangorongona miloka eo ireto mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy ireo, sady mitily ny hazany hatrany. Izay no tetikadin-dry zalahy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Nisy ihany ny fanampim-baovao azo avy amin’ireo tsara sitrapo, nanondro avy hatrany ireo tarehin’olona efa malaza ratsy amin’iny faritra iny, ka nahafahana nisambotra an-dry zalahy ireto. Irariana ny fitohizan’ny ezaka toa izao sy any amin’ireo faritra hafa, mba hampilamin-tsaina tanteraka ireo mpiantsena, sy olona mpandeha amin’ireny faritra voalaza ho isan’ny be olona mifamezivezy indrindra ireny.

m.L

TIM : Contre la balkanisation de Tanà

0

Le découpage de la capitale en six communes urbaines de première catégorie ne fait pas l’unanimité. Des voix s’élèvent contre ces dispositions prises par le pouvoir central. Mais la décision finale reste entre les mains des députés et qui sera connue dans les prochains jours.  

Comme il fallait s’y attendre les partisans de Marc Ravalomanana, plus précisément le TIM a réagi face à la balkanisation d’Antananarivo. A cet effet, les DISTIM ont tenu une conférence de presse, hier, à Belair au Quartier Général de ce parti. Face à cette décision du pouvoir central, les membres de ce parti des six arrondissements de la capitale ont déclaré qu’ils s’opposent de toutes leurs forces à ce découpage de la capitale. Selon le président du DISTIM de Tanà I, Razafimbelo Arinosy Jacques, au cas où cette loi organique serait adoptée, le parti y ferait face et compte rafler les 6  sièges de la capitale.

Blocage.  Les membres du DISTIM d’Antananarivo  lancent ainsi un appel aux députés en général et à ceux qui sont élus dans la capitale en particulier pour qu’ils prennent leurs responsabilités afin de faire blocage à cette loi organique qui ne va apporter que d’autres problèmes à la Ville des Mille. Par ailleurs, le président des 192 Fokontany de la capitale de ce parti estime même qu’il faudrait d’abord procéder aux élections des présidents Fokontany. Dans tous les cas, et comme c’est déjà dit précédemment, TIM va participer aux élections si les députés adoptent cette loi organique. Malgré eux, ils comptent ainsi aligner leurs candidats dans les six arrondissements de la capitale qui auraient chacun leur maire. Mais ils se demandent à quoi va servir un super maire pour Tanà avec les 6 autres qui seront élus ? Cela ne va pas créer que désordre, soulignent-ils.

Dominique R.

Ampasampito : Sarona ireo jiolahy mpamaky trano

0

Hilamindamina indray aloha ato ho ato ireo vaky trano sy fanafihan-jiolahy eny amin’iny faritra Ampasampito, Nanisana ary Ambatobe iny. Noho ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ireo fokonolona mantsy dia sarona ireo jiolahy rain-dahiny, mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpamaky trano teny amin’ireo faritra ireo. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy ilay tena mbola lehibeny ireto azo ireo. Raha miisa fito no isan’ireo mpikambana anatin’io fikambanan-jiolahy mahery vaika ireto dia ny roa tamin’ireo no tratra, ny alatsinainy lasa teo. Raha ny fantatra hatrany dia mbola hita tao an-tranon’ireo olon-dratsy ireto ireo entana avy nangalariny. Nahitana « ecran plat », solosaina, finday, fakan-tsary, ary fitaovana maro samihafa. Ireo roa tratra ireo no nanondro iretsy olona dimy mpiray tendro aminy, ka anisan’izany ity lehiben’ny jiolahy, izay mbola karohina fatratra amin’izao. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa efa atao fanadihadiana ny vadin’ity jiolahy rain-dahiny ity. Tamin’ireo mpitandro filaminana tonga tany an-tranon’ity jiolahy ity mantsy dia sahy nihantsy ady tamin’iretsy voalohany mihitsy ny zanaky ny tompon-trano. Tafaporitsaka, niaraka tamin’ny basy PA tamin’izany io jiolahy rain-dahiny io. Fantatra ihany  koa fa olona efa karohin’ny pôlisy fatratra ity lehibeny sy ireo olona efatra miaraka aminy, izay ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana ilay vola be mitentina 100 tapitraAr tamina sinoa tetsy Behoririka. Manentana ireo mponina ny mpitandro filaminana amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezana fanampim-baovao. Etsy andanin’izay ihany koa, entanina ireo olona nanana trano vaky tamin’ireo faritra ireo hanatona ny pôlisy etsy Tsaralalàna, hitondra taratasy mazava, hijery ireo entana tratra ireo.

r.s.

Fangalàna an-keriny ankizy kely : Naiditra am-ponja ny telo ary noafahana vonjimaika ny vehivavy roa

0

Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo olona dimy voarohirohy tamina resaka fangalàna an-keriny ankizy vavy kely, niseho ny alatsinainy 04 aogositra lasa teo. Naiditra am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, ny olona telo tamin’ireo voasambotra, ka lehilahy ny roa ary ilay vehivavy atidoha nikotrika iny tranga iny. Nomen’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika kosa ireo vehivavy roa hafa. Ireto farany, raha ny fanazavana azo, dia isan’ireo nitazona ilay laharana finday saika handefasana ilay volabe notakian’ireto mpaka an-keriny ireto. Raha ny filazan’ny iray tamin’izy ireo, izay tovovavy vao avy nanala fanadinana ara-panjakana teo, raha ny filazany, dia « nilaza ho tsy nahafantatra ny fisian’io tranga io izy ary am-pitaka ny nitondrana azy teny amin’ny mpitandro filaminana». Ny Fitsaràna ihany anefa no afaka hanamporofo ny marina amin’ity raharaha ity.

m.L

Rallye du Boeny : Trois jours intenses avec le rendez-vous de TMF Rally !

0

rallyeIls seront 31 équipages à s’aligner au départ du Rallye du Boeny organisé par le Team Mika Faniry Rally dès cet après-midi pour ne rendre son verdict que samedi.

Trois jours intenses aussi bien pour les pilotes que pour le public qui va se trouver aux premières loges car le tracé a été conçu pour permettre aux férus de cette discipline de voir le rallye de bout en bout.

En attendant, voici les numéros et les noms des équipages :

10) Ndrianja – Fanja (ASACM- Subaru Impreza)

28) Fidinera – Alain (ASACM- Clio)

18) Freddy – Jimmy (AMA/ASACM- Isuzi D Max)

2) Olivier- Haingo (ASACM/TMF- Subaru WRX STI)

5) Hery Be- Lalah (TMF- Subaru Impreza)

43) Nashemy- Patrick (ASACM- P.205)

19) Danielson- Rivo (TMF/ACCT- Great Wall Wingle 5)

12) Louvel- Teddy (FMMSAM- Mitsubishi Evo 6)

48) Andrea Galuppi – Fabrice Marchand (ASA Bourbon/FMMSAM- P.306)

40) Soloberg- Andry Kely (ASACM- P205)

49) Bala- Grist (MSA/FMMSAM- Clio 16S)

22) Nirina- Rivo (FMMSAM- P 206)

14) Mami Beta- Lou (TASAMM- P  504)

32) Tovonen – Pti Chinois (FMMSAM- Clio 16S)

7) Titi- Mijoro (ASACM- Subaru Impreza)

35) Sténio- Rova (FMMSAM- P 106)

50) Tanjona- Finona (FMMSAM- P 205)

11) Tina- Davonjy (FMMSAM- Subaru Impreza)

20) Dom- Tita (ASACM- WV Polo 9)

31) NS- Dorax (FMMSAM- Clio RS)

37) Mirija- Tito (ACCT- P 106)

36) Joujou- Kash (MSA- Citroën Saxo)

3) Boom- Berthin (ASACM- Mitsubishi Evo X)

34) Bona- Mahents (FMMSAM/ASACM- P 104)

8) Tahina- Tahiana (ASACM- Subaru Impreza)

27) Janice Willycia (FMMSAM – P 205)

16) Mamy Kely- Mamy Be (TMF/FMMSAM- Mitsubishi Evo 9)

4) Rivo- Ando (FMMSAM- Subaru Impreza)

51) Nanou de Janga- Tahiana (TMF- R 19)

33) Herizo- Rivo (FMMSAM- Clio RS).

Clément RABARY

Kidnapping an’i Owne Alek : Homena valisoa 40 tapitrisa ariary izay manome vaovao

0

Tsy mbola kivy ny fianakaviany ary manao izay rehetrahahitàna azy. Nanapa-kevitra ireo ny hanome valisoa ho an’izay manome vaovao mifandraika amin’izany…

Feno 50 andro katroka, omaly, ny nangalan’ny jiolahy an-keriny an’ilay teratany indopakistanis Owne Alek. Tsy hita izy hatramin’izao ary tsy fantatra na maty na velona, indrindra koa, fantatra fa taizan’ny diabeta izy ary mila tsindrona isan’andro.  Nomarihan’ny fianakaviany anefa fa efa nomen’izy ireo ny vola notakian’ireo mpanao takalon’aina. Nandamoaka avokoa hatreto izay ezaka efa natao, na izany avy amin’ny fianakaviana, na izany avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Omaly ary dia tapa-kevitra ireo olona akaiky azy hanome valisoa izay afaka manome vaovao marim-pototra ka hahitàna an’i Alek Owne. Mitentina 40 tapitrisa ariary izany tambin-karama izany, raha araka ny fanazavan’izy ireo teo amin’ny tambajotra sosialy. Inona no antony tsy hamotsoran’ireo olon-dratsy an’i Owne Alek? Mihodidina eo ny fanontaniana ankehitriny. Raha ny tsilian-tsofina re mantsy dia tsy nisy intsony ny fifandraisana an-tariby teo anivon’ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny fianakaviana. Inona ihany koa no mety ho anton’izany? Manoloana ny zava-misy aloha dia tsy valaketraka ny havany ary manantena hatrany fa mbola velon’aina any ho any i Owne Alek. Misy ny rohim-bavaka izay mandeha, efa maherin’ny iray volana izay, izay ataon’ny vondrona karàna, indrindra ho an’ireo izay mahafantatra tsara an’i Owne Alek. Raha ny voamarika teo amin’ny tambajotra sosialy dia afaka miantso amin’ny laharana 0325018711 izay hanome vaovao momba ny fikarohana an’i Alek Owne.

D.R

Ankazomanga : Roa lahy misandoka ho pôlisy, ahiana ho avy nanao fanafihana

0

Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny alina no nahatratraràna ireto roa lahy nitaingina môtô, somary nampiahiahy ihany, omaly, teny amin’ny faritra Ankazomanga iny, tokony tamin’ny 2 ora maraina. Tamin’ny fisavàna natao azy ireo no nahitana fanamiana pôlisy sy fitaovam-piadiana, toy ny « bigboss » sy « matraque electrique », tao anatin’ny môton’izy ireo. Notanana avy hatrany moa ireo roa lahy ireto ary efa an-dalam-panadihadiana azy ny mpitandro filaminana. Asa na fifanandrifian-javatra tokoa mantsy na ahoana, fa vao avy nisehoana fanafihana mitam-piadiana, iny alina iny, teny Andraharo teny. Saingy nalaky tonga ny mpitandro filaminana ka tafaporitsaka ireo jiolahy tamin’izay fotoana izay. Tsy nisy zavatra lasa na aina nafoy aloha, raha ny fanazavana azo hatrany. Efa an-dalam-pamotorana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana ka ny valin’ny fanadihadiana ihany angamba no hahafantarana izany.

m.L

Tapatapany

0

# – Mahajanga. Nahazo fahafahana vonjimaika. Taorian’ny nanolorana ny fampanoavana  an’ireo olona sivy voasambotra tamin’ny sakoroka tany Mahajanga, ny alatsinainy teo, fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy ireo. Marihina fa mpianatra mpandraharaha ao amin’ny oniversite ary olon-tsotra ireo voasambotra ireo. Etsy andaniny, miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona. Nizotra antsakany sy andavany ihany koa ny fanadinana bakaloreoa teknika.

r.s.